Force féminine d’aide mutuelle no nanao fanambarana tetsy Anosizato ny talata lasa teo fa manoloana ny toe-draharaham-pirenena ankehitriny dia firenena tena marefo ary latsaka lalina anaty fahantrana I Madagasikara ka tsy mahazaka krizy politika intsony. Manoloana ny fitsipaham-pitokisana nataon’ny solombavambahoaka ny governemanta, hoy izy ireo, dia mila mandinika sy mieritreritra tsara ny rehetra mba ho tombontsoa ambonin’ny firenena sy fiarovana ny vahoaka. Nandritra ny nahazoantsika ny fahaleovantena no mankaty dia manongana olona hatrany no politika teto Madagasikara ary tsy ampy firaisankina ny malagasy fa mizarazara ny vahoaka ka nahatonga ny firenena ho latsaka an-katerena. Tsy anjely akory ny mpitondra ary tsy devoly ny mpanohitra fa iray filoham-pirenena, iray praiminisitra, 150 solombavambahoaka, tombanana ho 27 tapitrisa malagasy ary 58.700.000 ha ny velaran-tany. Na iza na iza, tsy hahavita fahagagana ao anatin’izao fahantrana nandritry ny 60 taona nahazoantsika fahaleovantena izao. Ny firaisankina sy ny fifanampian’ny vahoaka no hialana amin’ny fahantrana ary famoronana asa ho an’ny malagasy miainga amin’ny tany sy ny fiompiana manara-penitra ary ny fambolena manara-penitra satria 85% dia tantsaha. Filaminana sy fitoniana no ilain’ny firenena ka aoka izay ny fananganana ady fa tsy mahasoa ny firenena ny fandrehetana afo. Tadidio fa pitik’afo kely dia kely fotsiny dia mandrehitra ala iray manontolo, hoy hatrany ireto fiarahamonim-pirenena ireto.
J. Mirija
Fotoana vitsy isika dia hankalaza ny fetin’ny Paska indray isika. Toy ny fanaony isan-taona dia nisafidy manokana ny
Etsy amin’ny Pho Resto Ivato no fotoana ny zoma 31 martsa izao manomboka amin’ny 8 ora alina. Hitondra ny antsoina hoe “Revy guitare”
Efa ho 28 taona izao I Samoela sy ny ekipany no nitondra ny valizin-dreviny nanerana an’I Madagasikara tamin’ny alalan’ireo vazo miteny be dia be noforoniny, hoy ny mpikarakara ny fitetezam-paritra “
Ny 7 hatramin’ny 10 aprily izao no ho tontosaina any amin’ireo torapasik’i Vatomandry ny andiany faha 11 amin’ny hetsika Festival dola beach.