airtel

kolontsaina

03-avril-2023

kolontsaina

Henri Ratsimbazafy – 90 taona Mbola tsy lefy ilay feo manga

Sample post image

Tontosa soa aman-tsara tetsy amin’ny CC ESCA Antanimena omaly 2 aprily ny fanamarihana ny faha 90 taonan’ny mpanakanto, Henri Ratsimbazafy.

03-avril-2023

Mbola ao tsara, raha ny hita teny an-toerana aloha ilay fomba fanentanana maha Dear Henri azy, indrindra, mbola tsy lefy ilay feo manga nahalalana fahizany fa hiran’i Henri Ratsimbazafy izany mandeha any ambadika any izany. Tsy hita ho mitambesatra amin’ny «lehilahy» ny taona maro efa tena maha voky azy fa tena mbola mijoro, araka ilay lohatenin-kirany «ny lehilahy». Tsy nanomana loatra aho, hoy moa izy, nialoha izao fampisehoana izao fa tena hitantara fotsiny an- kira ny nandalovana tao anatin’izay 90 taona izay miaraka amin’ireo mpanakanto namana. Sarotra ho an’ireo nanatrika mivantana teny an-toerana anefa ny nino fa tena tsy nisy tokoa izay fiomanana izay rehefa mijery ny kalitaon’ny seho natolotra, indrindra, rehefa nahita an’ity zokiben’ny kanto malagasy ity mbola tena nahavita nihira hira maromaro soa aman-tsara samirery.
ENCADRE
Ny 29 martsa 1933 no teraka tao Ankadifotsy - Antananarivo i Henri Ratsimbazafy na Dito Ratsimbazafy amin’ny tena anarany. Ny taona ’50 izy no nanomboka niditra an-tsehatra teo amin’ny sehatry ny hira ; efa taty amin’ny taona ’60 kosa izy vao niakatra an—tsehatra.Maherin’ny 200 ny hiran’i Henri Ratsimbazafy ankehitriny.Tsara ho marihina ihany koa fa nianatra sy nandalina ny momba ny fanorenana sy fananganana trano tany Nantes – France i Henri Ratsimbazafy.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

18-avril-2024

Nizara mikasika ny kolontsaina tia fandraharahana ho an'ireo tanora 100 ao amin’ny kilasy voalohany sy kilasy

Card image cap
18-avril-2024

Hitodi-doha any Andraikiba, Antsirabe, indray ny tarika Iray Fy'Art ny alahady ho avy izao,

Card image cap
17-avril-2024

Hiainga eny Talatamaty indray ny 5 may izao ny «Revy Mahaleo» i

Card image cap