airtel

kolontsaina

14-déc-2023

Hira gasy lasa vakoka iraisampirenena

Aza atao valalan’amboa, hoy Rabejean Miarinarivo!

Sample post image

Amin’ny maha mpanakanto, mpanao kolontsaina ny tena, hoy ny mpanakanto,

14-déc-2023

mpanao vakodrazana, Rabejean Miarinarivo, dia nikaroka kely ny momba izany atao hoe Hira gasy izany. Ny Hira gasy, hoy izy, dia renihira malagasy na renin’ny vakoka aman-kolontsaina malagasy tamin’ny andron’ny Andriamanjaka fony izy nampirevy ireo mpiasa hanao ny tatatr’i Betsimitatatra. Fianarantsoa sy Antananarivo no tena ahitana azy. Ny vakoka sy kolontsaina moa misy ny azo tsapain-tanana na “matériel” sy tsy azo tsapain-tanana na “immatériel”. Tafiditra anaty vakoka tsy azo tsapain-tanana ny hira gasy. Isaorako be dia be ny fangatahana nataon’ireo zoky raiamandreny, ny mpikatroka rehetra anaty kolontsaina sy hira gasy, indrindra, ny vakodrazana satria tafiditra anaty vakoka iraisampirenena tsy azo tsapain-tanana izao ny Hira gasy. Zava-dehibe ho antsika malagasy izany taorian’ny nahatafiditra ho isan’izany ny Kabary ihany koa. Maha faly izany satria hatramin’izay raha nitety firenena maro izany Hira gasy izany, ary isaorana be dia be Itompokolahy Ramilison Besigara sy ry Sahondrafinina ary mpihira gasy maro, dia tsy tena nisy akony be nankaiza saingy ankehitriny izy tafiditra ho isan’ny vakoka maneran-tany dia heverina fa tena hisy akony goavana amin’ny fampanjariana ny kolontsaintsika ao aoriana ao ary ho an’ny mpanakanto rehetra mihitsy. Reharehan’ny firenena izao fa tafapetraka amin’ny toerana tokony hisy azy ny Hira gasy. Lesona ho an’ny taranaka aty aoriana izao hoe na ny vahiny aza izany be dia be no miha liana amin’ny kolontsaintsika mainka moa fa isika izay tompony? Aza atao valalan’amboa fa fotoana izao tena hitrandrahantsika an’io! Ny amerikanina izao tompon’ny RAP dia io iarahantsika mahita io hoe nataony ahoana ny azy? Natao hanabeazana, hanomezana torohevitra, hitondrana anatra na hafatra sy mety ho fanakianana ny hira gasy. Miravaka jaky mena sy pataloha velondrirana ambany, mitafy lambahoany, manao satroka raibano ny tovolahy mpiantsa azy. Ny tovovavy kosa dia manao akanjo marevaka toy ny an’ny mpanjaka tamin’izany fotoana izany. Fanabeazana fiarahamonina iray ny Hira gasy. Samihafa ny Hira gasy, Hira gasy botakely, Aponga vilany, Tandonaka, Marakely, Vakodrazana. Ny Salegy sy Tsapiky izao isan’ny vakodrazana malagasy, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

Vonona Hampandroso hatreny ifotony ny teny sy ny soa toavina Malagasy ny fikambanana

Card image cap
28-mai-2025

Rahariva izany no fotoana miaraka amin’i Silo etsy amin’ny Enceinte Urban Futsal Galaxy Andraharo

Card image cap