airtel

kolontsaina

19-mars-2025

Horonan-tsary mamoafady

Lasibatry ny fanalam-baraka ny mpanakanto Meizah

Sample post image

Nisy nanaparitaka tamin’ny tambajotran-tserasera omaly ny horonan-tsary

19-mars-2025

mamoafady nahitana ny mpanakato Meizah. Horonan-tsary niendrika firaisana ara-nofo izay niparitaka sy lasa resabe, ary niteraka fanehoan-kevitra sy fanamelohana samihafa. « Mamo hono izy dia nararaotin-dry tsy matahotody. Efa nanararaotra dia mbola natao video ihany koa. Rehefa natao vidéo dia naparitaka ihany koa. », hoy ny voalaza fa setriny niendrika fanazavana niely. Niparitaka moa avy eo ny sarin’ireo voalaza fa tsy mataho-tody ka andrasana ny tohin’ity raharaha niendrika fanalam-baraka sy famotehana fiainan’olona ity. Andrasana ny tohiny sy ny fanenjehana araka ny lalàna. Isan’ny naneho fiombonam-po tamin'i Meizah ny Gazety Jejoo, le quotidien des femmes dia naneho fa manameloka tanteraka an' ireny fihetsika mamoafady miharo fanararaotana ara-nofo nahazo an'i Meizah ireny. « Tsy vitan'ny naolana izy fa mbola nalaina baraka ihany koa ! TRANGA fanolanana ireny aminay satria fantatra tokoa fa tsy tompon'ny tenany izy tao anatin'io zava-nitranga io ! Izahay dia miady mafy hoan'ny zon'ny vehivavy ary mangataka an'ireo manam-pahefana tompon'andraikitra mba handray an-tanana ny fanasaziana ny olona mahavanona zava-doza sy manalabaraka olona toan'ireny ! LAVINAY, TOHERINAY, RESENAY ny fanararaotana ara-nofo atao amin'ny vehivavy sy ny ankizy ! Andao isika vehivavy hifanohana sy hifananatra raha sanatria misy ny tranga toan'ireny fa tsy hifandatsa na hanao tsindrio fa lavo. FIANARANA NY FIAINANA ! Jejoo le quotidien des femmes dia miombom-po tanteraka amin'i Meizah sy ny reniny ary ireo fianakaviany rehetra », hoy ny Jejoo. Namoaka ny fanambarana ihany koa ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina manolana ny tsy fanajana ny fiainana manokanan'ny tsirairay. Nampatsiahy fa melohan'ny lalàna mikasika ny ady heloka, ny lalàna mifehy ny serasera amin'ny haino vaky jery, ny lalàna mifehy ny heloka anʼabaka ny famoahana sy fanapariahana sary na horonantsary tsy nierana tamin'ny tompony (atteinte au droit à l'image) sy entina hanalana baraka azy (diffamation), hoy io Minisitera io. Notsindriana fa melohin'ny lalàna ihany koa ny fanalam-baraka iniana atao aman'olona ho fanimbana ny fiainan'ny olona. Notsiahivina fa zon'izay voakasika sy niharam-boina ny mitondra ny tranga manohintohina ny fiainany manokana eo anatrehan'ny Mpitandro Filaminana na koa eny amin'ny Fitsarana. Naneho fa manameloka tanteraka ny fanaparitahana horonan-tsary izay mikasika ny fiainana manokan'ny tsirairay araka izay tranga miseho tato ho ato ity Minisitera ity, ka nanentana hatrany ny Minisitera amin'ny fampiasana am-pahamendrehana ny tambazotran-tserasera sosialy. Andrasana ny tohiny !
Toky R

 

Dans la même rubrique

29-avril-2025

Tonga eto Madagasikara indray i Chris sy Laura CHRISTENSEN, mpamorona ny tarika Exo.

Card image cap
29-avril-2025

Hoavy amin’io volana may io ny voka-dehiben’ny Taratry ny mazava, hoy ny filohan’ity antoko mpihira ity,

Card image cap