airtel

kolontsaina

23-oct-2025

Jean Claude Ratsimivony

« Mbola maro ny olana sedrain'ireo mpikaroka Malagasy »

Sample post image

Anisan'ny Firenena tsy mena-mitahy amin'ireo

23-oct-2025

Firenena vahiny toa an'i Sina sy Inde isika eto Madagasikara raha ny resaka fitsaboana nentim-paharazana no resahina hoy Ratsimivony Jean Claude, tompon'andraikitra voalohany eo anivon'ny vondrona JCR sy ny Vaniala. Raha miisa 7000 mantsy ireo karazan-javamaniry hananan'i Sina dia mahatratra 12.000 isa ny antsika eto Madagasikara raha 14.000 ny any Inde. Afaka manao fikarohana tsara sy mamoaka vokatra tsy mena-mitahy amin'ny any ivelany noho izany ireo misehatra amin'izany eto amintsika. Mbola betsaka anefa hoy Ratsimivony Jean Claude. Tokony hosokafana hoy izy ny lalana hahafahana mandefa entana sy manao fifanakalozana ara-barotra amin'ireo Firenena any Afrika. Tsy maintsy mandalo ao amin'ny Reny malala ao Paris hatrany mantsy izany raha ny nambarany hany ka lafo dia lafo tokoa ny saran'ny fandefasana entana. Ankoatra izay hoy izy dia tokony omen'ireo tompon'andraikitra eto an-toerana alalana ara-dalana ihany koa ireo mpikaroka eto Madagasikara tena manana traikefa mba hahafahany manao izany asa izany. Sakana goavana faharoa tsy hahafahan'ireo mpikaroka Malagasy mivoatra sy mandroso amin'ny fanondranana ireo vokatra nentim-paharazana ho enti-mitsabo ihany mankany ivelany koa mantsy izany.
Pati
Légende : Atoa Jean Claude Ratsimivony, tompon'andraikitra voalohany eo anivon'ny vondrona JCR
 

Dans la même rubrique

05-mars-2026

Hosokafana amin'ny seho lehibe eny amin'ny La City Ivandry

Card image cap