airtel

kolontsaina

21-juin-2023

kolontsaina

Jean Nirina Rafanomezantsoa «Aoka isika tsy ho tonga amin’ny ady an-trano!»

Sample post image

Ny fiarahamonim-pirenena, ny fiangonana, ny fanatanjahantena, ny fikambanana maro samihafa, hoy ny filohan’ny fikambanana Hafari malagasy, Jean Nirina Rafanomezantsoa,

21-juin-2023

dia tsy manao politika ary tsy momba ny atsy na ny aroa raha ny tokony ho izy. Anatina polemika isika ankehitriny, hoy izy. Raisintsika, ohatra, ny zom-pirenena. Tokony havahana tsara ny atao hoe zom-pirenena sy maha teratany malagasy. Tsy afaka esorina amin’ny teratany malagasy ny fananany, ny fasan-drazany, ny fianakaviany sy ny zavatra rehetra teto aminy. Safidy ny hipetraka eto na tsia. Hoatran’izany ireo diaspora any an-dafy. Entina hanakorontana be antsika ilay resaka satria malagasy eto amin’ny taniny ireo fa mety mizaka zom-pirenena any noho ny asa aman-draharaha. Ezahana ho korontanina ny firenentsika mba hifandripaka ny samy malagasy. Ny tena fahavalom-pirenena dia ireo nitondra ny volam-bahoaka teto nitsoaka any an-dafy na namorona orinasa any amin’ireny tany nipetrahany ireny. Aoka isika tsy ho tonga any amin’ny ady an-trano na fifampihantsiana! Firifiry moa ireo malagasy nahazo harem-pirenena eto dia manorina orinasa any amin’ny firenen-kafa? Mino aho fa ireo diaspora rehetra dia hiverina eto ny taolam-balony. Eto izy no hilevina. Olona be dia be no voatonotonona ao. Ny filoha Marc Ravalomanana niala teto nankany Afrika atsimo. Ny filoha Hery Rajaonarimampianina nankao Frantsa. Ny amiraly Didier Ratsiraka lasa tany Frantsa. Misy fepetra daholo hoe inona no antony hipetrahan-drizareo any na andehanany any ka raha izay no hanaovantsika polemika dia hifandritaka eto ny samy malagasy. Lasa fifandranitana ilay izy ary tsy andriamatoa Andry Rajoelina irery no voa an’io fa izahay koa manana havana diaspora dia tsy ho zarainay aminy intsony ve ny lova? Mandalo fahalovana goavana i Madagasikara. Fikirakirana ireo harena an-dranomasina sy an-dranomamy, ny harena an-kibon’ny tany, ny fambolena sy fiompiana, noho izany, no tena imasoanay fiarahamonim-pirenena ankoatran’ny ady amin’ny tsy maty manota. Lasa mpanao gazety ny malagasy rehetra anaty Facebook dia lasa vaovao tsy marina mahatonga fahapotehan’olona iray na maromaro no manjaka ka mila ahitsy izany ary nahatonga anay fiarahamonim-pirenena hanao antso hoe andao ho sahy hilaza ny marina amin’ny manodidina manoloana io fanankorontanana atao amin’ny firenena io, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

15-mai-2025

Herinandro mahery kely taorian’ny nirosoan’ny antenimierampirenena

Card image cap