Fanokafana ny fankalazana io, hoy ny fanazavana. Nanasa ireo tarika niara-niasa taminy hatramin’izay, noho izany, ny tenany. Isany ny tarika Hasim-piderana, Rojo Ny Avo, Jajah, Noely kely, Tonton Pa, Lucien R, Christian K. Eo koa ireo antoko mpihira toy ny STK Fanasimpiderana Antanimena, Feo manako Ekar Soavimasoandro, KTLM ao amin’ny FLM Ambohimandroso, Atipa, AZFF, Help, AMF. Hivoaka amin’ity anio ity ihany koa ny «Rakitsary tambatra» izay ahitana azy mampiara-peo amin’ireo namany ary azo jifaina eny an-toerana. Hitohy any amin’ny faritra, hoy hatrany ny tenany, ny tohin’ny fanamarihana izao fotoan-dehibe izao mandram-pahatongan’ny 19 desambra, izay famaranana ny hetsika. Ny 90%n’ny hiran’ny tarika Hasina, izay tarika tena nanombohany, hoy ny nambarany, dia noforoniny avokoa.
J. Mirija
Notoloran’ny fitondram-panjakana ny mari-boninahitry ny kanto, soratra ary ny kolontsaina ny mpanakanto Do B,