airtel

kolontsaina

03-août-2023

kolontsaina

Josephin Andriandrainarivo “Notobahan’ny toe-tsaina tandrefana ny Malagasy”

Sample post image

Notobahan’ny toe-tsaina tandrefana hoe “ny vola no maha rangahy” ny soatoavina malagasy hoe “fanahy no olona”,

03-août-2023

hoy ny filohan’ny Fikambanambem-pirenen’ny mpitsabo nentim-paharazana eto Madagasikara na ANTM, Josephin Andriandrainarivo. Mitobaka eto, hoy izy, io fomba fisainana io hanakorontana amin’ny lafiny maro. Anaty demokrasia, ohatra, miteniteny foana eny satria miheritreritra hoe azo atao izay tiana atao ao anatin’izany. Hatramin’ny ankizy kely sahy manevateva ray aman-dreny. Rendrika amin’ny randrana tsy manendrika ny tena ny ankabeazan’ny olona anaty fiarahamonina rehefa miresaka ny atao hoe fandrosoana. Maka tahaka be fahatany ny fomba amam-panao sy fihetsika any ivelany. Isany ireny resaka fampisehoana ireny. Na ny mpijery na ny olona jerena dia matetika voasarik’ilay famindra sy fomba fihetsika avy any ivelany izay. Tsy voaresaka mihitsy izany soatoavina izany. Na ny mpanao politika manao itony hoe soatoavina repoblikanina itony dia lazaiko anareo fa soatoavina eoropeanina izany. Be dia be amin’io fenitra tian-drizareo apetraka io no tsy mifanojo amin’ny foto-pisainana malagasy. Tahaka izany ny sehatra ara-pinoana isan-karazany izay mampiendaka ny olona amin’ny soatoavina maha malagasy ny ankabeazany. Ilaina ny fifanabeazana. Eo ny fitobahan’ny foto-pinoana tsy mahazo ilay soatoavina malagasy sy mandà azy fa eo koa ny fitobaky ny zava-mahadomelina raisin’ny tanora hatramin’ny olon-dehibe izay alaintsika tahaka be fahatany ka manendaka ny fanajantsika izany soatoavina malagasy izany, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

15-mai-2025

Herinandro mahery kely taorian’ny nirosoan’ny antenimierampirenena

Card image cap