Ny teny malagasy dia iray amin’ireo singa maha olona ny olona sy maha firenena ny firenena, hoy ny raiamandreny ara-drazana, Josephin Andriandrainarivo. Ny vatana, ny tenin-dreny, ny tanindrazana, ny kolontsaina misy ny soatoavina, fomba amam-panao, finoana, hoy izy, maha olona ny olona sy maha firenena ny firenena. Tsy vao izao fa tsikaritra hatramin’izay mihitsy hoe tsy tonga any amin’ny malagasy rehetra ny fanokanana ity volana jona ity ho volan’ny teny malagasy. Tsy tonga any ambanivohitra sy ny vahoaka rehetra any io. Ilaina ho an’ny renivohitra kosa nefa ilay izy satria ny an-drenivohitra no manovanova lava ity fomba fiteny ity. Manaraka ny zava-misy any ivelany. Anaty Facebook izao dia lasa teny tsy hay tsy hay izany daholo nefa somary maha sadaikatra ihany ny mahita azy ireny raisin’ny akademia malagasy satria hoe velona sy miaina, hono, ny teny. Tokony hiainana an-davan’andro mihitsy, noho izany, ny tenin-dreny na ny teny gasy na ny teny malagasy. Tokony hiainga amin’ny rafitra misy rehetra ny fampiasàna ny tenin-dreny. Na rafi-panabeazana io na rafi-pitsaràna toy ny famoahana didim-panjakàna sy lalàna samihafa. Toy izany koa ny rafi-panjakàna samihafa. Tokony hiainga any ambony ny ohatra. Tokony hiainga avy amin’ny fitondràm-panjakàna ny fampiainana izany ho an’ny firenena iraimanontolo mba ho arahan’ny rehetra ka tsy hisy intsony ny hoe misy olona miisa 50 anaty efitrano iray fa 1 na 2 amin’ireo ihany no vahiny dia izay dia ampy ampiasàn’ny mpitarika fotoana teny vahiny. Mangingina ny volan’ny teny malagasy satria tsy tokony atao 1 volana ihany! Difotry ny zavatra hafa ilay fankalazàna matoa tsy dia heno. Takon’ny resaka fanavaozana na fikaonandoham-pirenena ve sa inona no antony? Ny teny malagasy ho faty dia tsy dia inoako loatra fa izy ho teny vetaveta no mampanahy, izany hoe, ho lasa vary amin’anana na tahaka izany satria voadidin’ny ranomasina ity nosy ity. Manana fitena samihafa isika. Misy miteny hoe mahogo. Ny sasany hoe mangahazo. Ny sasany kazaha. Toy izany koa ny kida, akondro, voamanga, batata sy ny hafa rehetra. Mampiray antsika ireny na samy hafa fanonona aza fa any amin’ny firenena hafa misy vao mifindra tanàna iray dia efa tsy mifankahazo teny. Matoa mifankahazo dia mampiasa ny tenin’ireo nanjanaka azy taloha. Tsy ho faty ny teny malagasy fa ahiana ho lasa vetaveta raha izao no mitohy, hoy hatrany ny tenany, ka mila mamerina amin’ny laoniny ny hasiny isika.
J. Mirija