Tafa sy dinika ho fampahafantarana ny anjara biriky nentin’ny Fikambanana teo amin’ny fampiroboroboana ny kabary malagasy, ny asa takian’ny maha kabary izay haren-tsaina tsy azo tsapain-tanana ho an’ny zanak’olombelona no nanombohana ny fankalazana.Vanim-potoana manan-tantara eo anivon’ny Fikambanana rahateo ny taona 2023 -2024. Hanamarika ny faha 60 taonany mantsy ny Fikambanana ka nampahafantarina tamin’io omaly io koa ny fandaharam-potoana mifandraika amin’izany.Tonga nanafy haja izany ireo Birao Foibe tarihin’ny Filohan’ny FI.MPI.MA. maneran-tany Randriamboavonjy Hanitra sy ny Filoham-boninahitra FI.MPI.MA.Lanonana fifampiarahabana noho ny taona vaovao moa no namaranana ny fihaonana omaly.
Pati