ny tarika Weaver Trio, izay misehatra amin'ny fitendrena zava-maneno, gadona Jazz, hoy ny fampitam-baovao voaray omaly. Izany dia nahitana an'i Rakotonirainy Njaka, eo amin’ny vatamaroafitsoka, mpampianatra ao amin'ny Iarivo Art & Music Academy, sy Rakotondravohitra Josia, eo amin’ny amponga maro anaka, mpampianatra ao amin'ny Aponga Music & Drum School. Voaresaka nandritra ny fihaonana ireo endrika fiaraha-miasa maro azo tanterahina. Ny mampiavaka ny Weaver Trio dia ny fitendrena ireo hira kalon'ny fahiny amin'ny gadona Jazz, izay mampifanindran-dalana ihany koa ny kolontsaina fonosin' izany eto Analamanga. Efa mitondra izany seho izany hatrany ivelany izy ireo fa tsy eto Madagasikara ihany. Ankoatran’izay, nilaza izy ireo fa misokatra amin'ny gadona rehetra ny tarika. Manampy azy roalahy ireo ao anatin'ny Weaver Trio i Andriamasimana Hents, raha ny fampitam-baovao voaray hatrany.
Nangonin’i J. Mirija
Rehefa manakaiky toy izao ny fety ny reny dia tsy vitsy ireo magazay
Raikitra ny Fetin’ny Maman’ty grand retour amin’ity taona 2025 ity