airtel

kolontsaina

10-nov-2025

KOLONTSAINA

Mila kianja lehibe kokoa ireo mpanao HIRAGASY

Sample post image

Tonga nihaona tamin’ny minisitra tetsy

10-nov-2025

amin’ny Biraon’ny Ministeran’ny serasera sy ny kolontsaina etsy Anosy ireo solontenan’ny mpisehatra eo amin’ny tontolon’ny Hiragasy ao amin’ny FIMPIMAMAD, raha ny fampitam-baovao voaray ny sabotsy teo. Nandritra ny fihaonana teo amin’ny roa tonta no nanoloran’ireto solontenan'ny mpisehatra amin'ny hiragasy ireto ireo tolo-kevitra hoentina mampandroso hatrany ity sehatry ny kolontsaina malagasy ity. Teo ny fanirian’izy ireo mba hanana kianja lehibe kokoa, mahafeno fepetra na eo amin’ny toerana hipetrahan’ny mpijery na eo amin’ny fenitry ny fiarovana ireo mpihiragasy.

Kianja mahazaka tarika miisa 2 na 3 mifanandrina ary koa Kianja hahafahana manatanteraka seho goavana eo amin'ny ady hiragasy. Nangatahin’izy ireo ihany koa mba hamafisina ny fiarovana ireo mpisehatra amin’ny Hiragasy eo amin’ny lafiny fandriampahalemana. Tetsy ankilany dia naneho ny faniriany ny Minisitra mpiahy ny kolontsaina malagasy mba hihamafy bebe kokoa ny fifanohanana sy ny firaisan-kina eo amin’ireo samy mpisehatra amin’ny tontolon’ny Hiragasy, ny hanomezan-danja ny fifanajàna eo amin’ny samy tarika, satria tokana ny tanjona dia ny hanomezana hasina ny Hiragasy sy hanandratana avo ny kolontsaina malagasy, hoy hatrany ny fampitam-baovao voaray.
Nangonin'i J. Mirija
 

Dans la même rubrique

28-avril-2026

Ahiana ho fandorana niniana natao, hafainganina ny fanarenana...

Card image cap