airtel

kolontsaina

18-sept-2023

Loharano sy soatoavina amin’ny Kabary

Manomboka liana ny olona

Sample post image

Manana ny sehatra maha izy azy amin’izao fotoana izao ny Kabary, hoy ny teo anivon’ny Fikambanan’ny mpikabary

18-sept-2023

malagasy na Mpikalo nandritry ny famoahana andiany notontosain’izy ireo tetsy amin’ny Kianja Maki Andohatapenaka ny sabotsy teo. Ankoatran’ny hoe liana fotsiny ny olona mba te hikabary, hoy ny fanazavana, dia efa manomboka voasarika ny olona hamantatra ilay loharano sy soatoavina maha malagasy. Isan’ny mampiavaka ny mpikabary Katolika na Mpikalo dia ny hoe tamban-tsoatoavina miisa 2 no voizina sy atao hifanaraka dia ny soatoavina maha malagasy sy maha Kristianina. Miroborobo ny kabary fa etsy ankilan’izay koa dia mitsoka mafy ny rivotry ny fanatontoloana. Somary sadasada manan-tsoratra ihany raha jerena ny eto amin’ny tany sy ny firenena. Voavolavola tsara ilay olona aty amin’ny sehatra misy anay fa vao mivoaka ny varavarana dia mandeha ny “bonjour” sy ny “merci” ary ny maro isan-karazany. Ny eo anivon’ny fitondram-panjakana koa moa izany efa tena manao laharam-pahamehana be ilay kolontsaina ve sa manao ahoana? Mifandraika daholo izay rehetra izay fa ny anjaranay dia mamolavola mba hananan’ilay olona sata maha mpikabary. Rehefa avy miankina amin’ny tanjony ihany no hanohizany izany, hoy hatrany ireo tomponandraikitra eo anivon’ny Mpikalo na Mpikabary Katolika malagasy.
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Hatramin’izao dia mbola tsy eken’ny fanjakana malagasy ho andro tsy fiasana

Card image cap