Samia mizotra eo amin’ny rariny, hoy izy. Ny rariny sy fahamarinana no mamoha ny hasina. Ny hasina no mitarika ny fanahin’ny zanak’olona. Ny fanahin’ny zanakolombelona tarihin’ny hasina no mikajy, mitarika sy mametraka ny fotodrafitrasa ho an’ny tombontsoa maharitry ny vahoaka eto amin’ny tany sy ny firenena. Ny fitiavana sy fihavanana ary izaho sy ianao mifampihaino miaraka amin’ny fifankatiavana eo anatrehan’ny fahamarinana no mampandroso ny firenena. Miankina amin’ny toetsain’ny tsirairay koa anefa. Rehefa ao aminao ny toetsaina miabo tsy tia manaratsy ny hafa fa tia mibanjina manao izay mahasoa sy hahatsara anao dia mandeha ho azy daholo io. Ekena tokoa fa fiarahamonina mifamono an-kolaka no misy amin’izao. Maro amintsika, ohatra, no mbola tsy mahafantatra ny atao hoe hasin’ny teny, ny herin’ny teny, ny fitiavan’ny teny. Ao ilay hoe mifamono an-kolaka, mifanaratsy anaty, mifanenjika. Ny tokony atao dia diovy ny sainao. Ahitsio aho raha misy diso. dioviko ihany koa ny foko ahafahako mihaino anao sy mamoaka ny teny madio araka ny fanahy mahaolona ahy. Mino aho fa miroso ny faritra misy ahy sy ianao raha isika no mihavana sy mifankatia. Tsy ny fifanaratsiana sy fifankahalana no mampandroso fa ny fihavanana sy fahaizana mihaino, mifanakalo teny. Fantaro fa malagasy isika. Ny maitso fanantenana. Ny mena fiandrianana fa ny fotsy fahazavana, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
Notoloran’ny fitondram-panjakana ny mari-boninahitry ny kanto, soratra ary ny kolontsaina ny mpanakanto Do B,