airtel

kolontsaina

28-mars-2023

kolontsaina

Maitre Michel Le Dragon “Tsy mahaleotena ny firenena misy zandary”

Sample post image

Nanao fetetezam-paritra teto amin’ny firenena hatramin’ny janoary no nankaty ny fikambanana Gasy ka mahery na

28-mars-2023

GAKAMA hijerena ny fampiharana ny soatoavim-pirenentsika eto Madagasikara amin’izao fotoana izao eo amin’ny tontolon’ny fanatanjahantena, zavakanto, kolontsaintsika hatrizay. Ho raisina eto isika, hoy ny filohan’ny GAKAMA, Maitre Michel le Dragon, raha tsy miverina amin’ny maha gasy antsika. 35 taona izao no nijoroan’ny GAKAMA ara-panjakana. Avy nitsidika ny GAKAMA Antsiranana koa izahay. Mbola ao ny tompondakan’ny Morengy avy amin’ny GAKAMA. Mikasa hanangana indostria ara-kolotoraly hivarotana ny kolontsain’ny GAKAMA rehetra eto Antananarivo izahay. Ho hita amin’izay fotoana izay indray ny hoe Kick boxing mifanandrina amin’ny Morengy watsa, ohatra, na Karate VS Diamanga sy Ringa VS Judo. Tsy manana daty nahaterahana ny kolontsaina. Mpandray anjara amin’ny raharaham-pirenena foana hatramin’izay I Michel Le Dragon. Mahay mifandamina ny mpanao politika ary mifampiantso an-tariby ireo hoe ahoana asiantsika hetsika kely ve na fandaminana kely? Izany hoe raha tsy misy ny TIM dia tsy voatazona eo amin’ny fitondrana ny TGV. Raha tsy misy ny filoham-pirenena Andry Rajoelina dia tsy hanan-kolazaina koa ny mpanohitra. Mifamelona ireo. Mifandray tendro daholo. Isika rahateo tsy manana fahaleovantena dia lalaovin’ny iraisampirenena. Rehefa ny firenena iray no misy zandary dia tsy mahaleotena izy izay. Sady manao asan’ny OPJ, Polisy, Emmo ny zandary, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique