Nandritra ny resadresaka natao tamin’i ANDRIANALIFIDY John Spayer, mpanakanto tanora avy any Toliara, naneho mazava tsara ny lalana nodiaviny sy ny fivoaran’ny asany ara-kanto izy. Teraka ny 09 Janoary 1991 tao Toliara i John Spayer, manana firazanana avy amin’ny foko Tanalana (Toko Bey Telo) ary manana tanindrazana ao Itampolo. Amin’izao fotoana izao dia monina ao Valovotaka, Toliara izy. Tanora manam-pahaizana, nianatra tao amin’ny Université de Toliara, sampam-pianarana DEGS, ary nahazo ny diplaoma Maîtrise en Gestion, saingy ny fitiavany mozika no tena nanamarika ny lalany. Eo amin’ny sehatry ny mozika, i John Spayer dia mpihira sady auteur-compositeur mivoy ny gadona Variété. « Eo amin'ny sehatry ny mozika, mpihira sady auteur-compositeur aho, mivoy ny gadona Variété. Efa nahavita hira an-tsary (clips vidéo) roa sy hira audio telo izay azo jerena sy henoina ao amin'ny kaontiko YouTube John Spayer. Tamin'ny taona 2018 no namoahako ny hira voalohany mitondra ny lohateny hoe "Ampela Raty", izay nampiakatra ny lanjan'ny vehivavy heverina ho ratsy tarehy, maneho fa samy manana ny hasiny sy ny vintany eo amin'ny fiainana ny tsirairay. », hoy i John Spayer. Taorian’izany dia nijanona vetivety teo amin’ny famokarana hira izy, ary tamin’ny taona 2024 vao niverina indray tamin’ny clip “Beandro”, tantara mampihetsi-po momba zazalahy narian-dreniny teny amin’ny fanariam-pako nefa tafita sy lasa depiote tatỳ aoriana. Ny taona 2025 kosa dia namoaka ny “Anjara Tsy Miolaky”, hira fitiavana miresaka ny safidy sy ny anjara eo amin’ny fiainan’ny mpifankatia, izay efa hita ao amin’ny tranonkala tononkira malagasy. Ankehitriny, amin’ity taona ity, John Spayer dia manomana hira vaovao izay antenaina hanamarika dingana vaovao eo amin’ny lalany ara-kanto. « Manasa ny mpankafy sy ny mpanohana rehetra izy hanaraka ny pejy Facebook sy ny kaonty YouTube-ny, satria mbola maro ireo tetikasa sy zava-baovao hozaraina amin’ny sehatry ny mozika sy ny kolontsaina. Ny hafatra entiny dia mazava: ny mozika dia tsy fialam-boly fotsiny fa fitaovana hananganana fiaraha-monina sy hanomezana hery ny tsirairay. », hoy i John Spayer maneho fa vonona hitondra sy hanome ny tsara hatrany.
Toky R
Natomboka ofisialy ny sabotsy 13 jona teo,