airtel

kolontsaina

26-juil-2023

kolontsaina

Misaona ny fanaovan-gazety Nodimandry i Seva Mboiny

Sample post image

Nodimandry teo amin'ny faha 67 taonany i Seva Mboiny Simon izay tale jeneralin'ny ORTM teo aloha (2003 - 2009) ary talen'ny RNM teo anelanelan'ny taona 1993-1997,

26-juil-2023

hoy ny fampitam-baovao voaray omaly. Nianatra fanaovan-gazety tany amin'ny Firaisana sovietika izy tamin'ny repoblika faharoa. Nisantatra ny andiany voalohany tamin'ny FJ na “Formation en journalisme” ary mpampianatra momba ny fanaovan-gazety teny amin'ny oniversiten'Antananarivo, eny Ankatso, taranja "Ny Radio". Manam-pahaizana manokana momba ny fampiroboroboana Radio eny ambanivohitra (radio rurale, radio communautaire, radio associative) izy. Mpiasa tao amin'ny fitaleavana ankapoben'ny kolontsaina ihany koa, hoy hatrany ny fampitam-baovao voaray. Mirary fiononana feno ho an’ny fianakaviany sy ireo akaiky azy rehetra ny eto amin’ny gazety Tia tanindrazana.
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

20-mai-2025

Hanolotra seho miavaka ny Tarika Solika ho fankalazàna ny fetin’ny reny ny Alahady

Card image cap