hoy ny fampitam-baovao voaray ny faran’ny herinandro teo. Izy dia avy anaty fianakaviana mpitendry zava-maneno satria zanak'i Razakamahefa Jean, mpanakanto malagasy fanta-daza tany eoropa nahazo ny « 1er prix conservatoire de musique de Paris” sy “1er prix Conservatoire de musique de Russie ». Mpikambana namorona ny "Jejy music" i Hery. Mpilalao zava-maneno maro toy ny lokanga, traompetra, tuba, vatamaroafitsoka izy. Notezaina tamin’ny mozika hatramin’ny fahakeliny ary nikohizana tamin’ny talenta nananany. Mitendry ny gadona rehetra izy fa ny gadona klasika no tena manavanana azy ary ny fitendrena “violon” sy fitarihana orkesitra no tena nahafantarana azy. Nahavita ny "étude supérieure de musique spécialité violon" tao amin’ny ESCA niaraka tamin’ny dadany sady manana mari-pahaizana “Docteur en mathématique”, nivoaka tao amin’ny oniversiten’Antananarivo, Ankatso. Nahavita fiofanana momba ny mozika tany Korea, Sina, Japana, Alemainina. Nahazo vatsimpianarana nanohy fianarana tany Lille, Frantsa momba ny «violon» sy «chef d’orchestre» izay nahazoany ny «certificat d’étude supérieur en musique, fin du 3ème cycle». Maro ireo tarika sy mpanakanto efa nandraisany anjara sy niara-niasa taminy toa an’i Njila, VHF, Mahaleo, Rossy, Poopy, Tselatra, Njakatiana, Orchestre Philarmonique d’Analamanga, Jejy Music, Orchestre Musiques en herbes FPVM. Firenena maro koa no efa notsidihany sy niarahany niasa toa an’i La Réunion, Mayoty, Frantsa, Italia, Alemainina, Thaïlande. Mirary fiononana feno ho an’ny fianakaviany sy ireo akaiky azy rehetra moa ny gazety Tia tanindrazana. J. Mirija