airtel

kolontsaina

01-déc-2023

Mitaraina ny tany” nosoratan’i Andry Andraina

Nivoaka ofisialy ny dikateny frantsay

Sample post image

Tontosa omaly tetsy amin’ny Tranom-bokim-pirenena etsy Anosy ny famoahana tamin’ny fomba ofisialy ny boky

01-déc-2023

tantara foronina na “Roman” nosoratan’i Andry Andraina na Razafindrazaka mitondra ny lohateny hoe “Mitaraina ny tany” amin’ny teny frantsay. Ny mpanoratra Tefy na Andriamahery Raoelison Théophile Jean no nanao ny dikateny ary ny edisionina Tsipika kosa no nanonta ny boky. Nisy mpiara-miasa maro, hoy i Tefy, niaraka tamiko ka dia io no nandikana azy hoe “De douleur, la terre gémit”. Kanto sy manana endrika ilay asa soratra, hoy izy, ary tena manasongadina ny hasin’ny kolontsaina malagasy. Ny tanjona dia fara-faharatsiny mba hain’ireo firenena hafa miteny frantsay hoe iza marina moa ity Andry Andraina izay teraka ny 30 janoary 1922 ary nodimandry ny taona 2006 ity? Ny fantatry ny olona mantsy dia ry J.J Rabearivelo na ry David Jaomanoro, ho an’ireo mpanoratra taty aoriana, fa ny mpanoratra tena malagasy toa an-dry Andry Andraina dia tsy fantatr’izao tontolo izao afa-tsy isika malagasy ihany. 300 pejy eo ny boky. Samihafa tanteraka moa ny kolontsaina frantsay sy malagasy saingy rehefa mandika teny ianao dia tsy maintsy mitandrina hoe voahaja ny tian’ny mpanoratra malagasy lazaina ary mijery hoe iza no tiana hampitana ny hafatra? Ezahana ho kanto ilay soratra ary manaraka ny fenitry ny tenin’ilay firenena handikana azy. Ireo lazaova miisa 4 ireo no mametra ny fepetra fandikan-teny, hoy hatrany ity mpanoratra sady mpandika teny ity.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

Vonona Hampandroso hatreny ifotony ny teny sy ny soa toavina Malagasy ny fikambanana

Card image cap
28-mai-2025

Rahariva izany no fotoana miaraka amin’i Silo etsy amin’ny Enceinte Urban Futsal Galaxy Andraharo

Card image cap