Mpisehatra tao amin’ny Tropy Lisiniarivo notarihin’I Jean-Marie Rakotomalala izy sy Barijaona ary efa nilalao tao amin’ny tropy Antananarivo Teatra notarihin’I Ramanda Albert ihany koa izy roalahy. Niondrana an-tsambo nankany Frantsa I Fidimalala sy Barijaona ka i Ranaivo Ranarivelo no nandray azy roalahy niaraka tamin’ny vadiny avy tany Frantsa. Ranaivo Ranarivelo no namoron-kira nampalaza azy ireo. Rehefa nodimandry i Barijaona, dia nifindra tany Alemana I Fidimalala, ary mbola nanohy nihira sy nanandratra ny zava-kanto malagasy. Tany amin’ny taona 1980 no tafody taty an-tanindrazana ary nanohy nihira sy mitendry gitara ka mbola niaka-tsehatra ihany I Fidimalala farany teo niaraka tamin’izay gitarany izay na dia efa ho feno 95 taona amin’ny volana aprily izao aza, hoy hatrany ny fanazavana. Navoaka tamin’ny fomba ofisialy teny an-toerana koa moa ny boky mitondra ny lohateny hoe «Vorona ô !», izay mitantara ny lalana nodiavin’izany Barijaona sy O’Suza na Odette Suzanna izany ary mamelona ireo tononkira nahalalana ny tarika ihany koa. I Fidimalala moa dia isan’ireo akanga sisa nanamborana mbola velon’aina ankehitriny tamin’ireo mpanakanto naman’i Barijaona mivady, hoy hatrany ny fanazavana.
J. Mirija
Herinandro mahery kely taorian’ny nirosoan’ny antenimierampirenena