airtel

kolontsaina

28-févr-2024

Mpanakanto Rootsikalo

«Hanaiky ve ny sinoa any Chine hoe : Malagasy mpanam-bola handrodana ny tranony ?»

Sample post image

Eritrereto hoe tonga any Chine ialahy dia manam-bola hividianana

28-févr-2024

tany any, dia hoe esory teo ireo sinoa ireo fa ahy io tany io ! Dia hanaiky an'izany ve ny Sinoa? Tsy mitombona izany, tsy hisy mihitsy izany », hoy ny mpanakanto Rootsikalo, naneho hevitra momba ny zava-misy mikasika ny fahazoan’ny vahiny tany eto. Na tsy novantaniny aza dia heverina avy hatrany fa ilay tranga teny Antsofonondry nandrodanana tranon’olona miisa 15 fa hoe namidin’ny karana tamin’ny sinoa ny tany no anton’io. « Ny eto Madagasikara ihany no misy hoe Malagasy ialahy, dia miala eo amin'ny tanin'ialahy fa iny misy Sinoa sy Karana tampon'ny tany. Tsy misy "logique" mihitsy kosa ve eto amin'ny Tanàna e?" Hoy i Rootsikalo tao amin'ny pejiny. Henjana ilay zava-misy eto amin’ny firenena, ary ny zava-misy tahaka izao no maneho, fa tompony mangataka atiny eto amin’ny taniny ny Malagasy, viravirain’ny vahiny,… Ny madinika tsy misy mpiahy, ny mpitondra tsy rototra mba tsy hilazana fa betsaka no mitsikombakomba amin’ny fivarotan-tanindrazana. Tsara rahateo ny manamarika sy mampahatsiahy, fa Malagasy avokoa ny any amin’ireny sampan-draharaham-panjakana ireny fa tsy vahiny. Ny vola no toa mibaiko, ka takona ny rariny sy ny hitsiny !
Toky R

 

Dans la même rubrique