Namoy ny ainy afak'omaly Sabotsy 18 Aprily 2026 alina ilay mpanakanto Nico-lah-star tsy zoviana amin'ny maro intsony. Nisy nisompatra tamin'ny alalan'ny ody gasy izy raha ny fantatra, fanambarana nataony fony fahavelony. Nisy zavatra nohaniko hoy izy, antony nahatonga ny aretiko. Efa notsaboina izany hoy hatrany izy ka nisy zavatra hafahafa nivoaka avy tany an- kibony. Ankoatra izay anefa dia mbola nitohy ihany ny aretin'ny ka tsy nahetsika intsony ny tanany sy ny tongony ilany an-kavia. Efa nandalo fitsaboana nandritra ny herinandro maro ity mpanakanto ity no izao nindaosin'ny fahafatesana izao. Tsiahivina fa olona maro no efa nanaovany antso avo mba hifanohana taminy tamin'ny fividianana fanafody tamin'ny fahavelomany ka anisan'izany ny mpitondra ankehitriny. Diso tsapany loatra mantsy fa tsy maintsy mamoy ny ainy izay rehetra tsy manam-bola hitsaboan-tena indrindra rehefa tonga eny amin'ny hopitaly.
Nangonin'i Pati
Légende : Ilay mpanankato Nico lah Star nandritra ny fitsaboan-tena natao tao amin'ny Hopitaly
Henika Tsapiky i Toliara ny faran'ny herinandro lasa teo.