Andapa sy ny ambiny rehetra, hoy ny tatitr’izy ireo tetsy amin’ny foibeny etsy 67ha atsimo omaly. Hita ho mirona tanteraka amin’ny resaka fitsaboana nentim-paharazana ny malagasy, hoy ny filohan’izy ireo, Jean Nirina Rafanomezantsoa. Ireo aretina tsy nahitana fanafana, ny aretina mikasika ny firaisana ara-nofo, ny aretina tsy mandalo fandidiana no tena hankafizan’ny olona rehetra ity resaka fitsaboana nentim-paharazana ity. Ny atao hoe marary moa dia manana taova matory. Mila manana traikefa sy fahaizana noho izany ireny olona miaina anaty fitsaboana nentim-paharazana ireny. Misy ra, rano, hozatra, taolana tsinona ny vatan’olombelona. Misy faritra kitihana noho izany mifandraika amin’ireny ahafahana mamerina amin’ny laoniny ny taova. Misy olana goavana io resaka firaisana ara-nofo io eto Madagasikara ka tena ilaina ny fanabeazana ara-pananahana na ny antsoina hoe “Education sexuelle” satria afaka manao izany foana mandra-pahafatiny ny olombelona nefa mety misy ny olana ara-pahasalamana ilana izay fanabeazana izay, hoy hatrany ny FITRAMA.
J. Mirija
Hanomboka amin’ny faran’ny volana jona 2025 izao ny fanodinana ny horonantsary