airtel

kolontsaina

20-avril-2026

Nanandratra avo ny gadona Tsapiky

Anisan’ny notoloran’ny

Sample post image

Fanjakana mariboninahitra i Tirike

20-avril-2026

Anisan’ireo notoloran’ny fitondram-panjakana tamin’ny alalan’ny Filohan’ny fanavaozana Kolonely Randrianirina Michael ny mariboninahitra Commandeur de l’ordre des Arts, des Lettres et de la culture i Tirike Augustin, izay namorona ny tarika Tirike tany amin’ny taona 90. Marihina fa tamin’ny fankalazana ny faha-35 taonan’ny tarika tao Toliara ny aogositra 2025 no efa tokony ho notolorana izany ny tenany, saingy tsy tanteraka noho ny antony tsy avy aminy, fa avy tamin’ny Fitondrana teo aloha. Anarana tsy azo sarahana amin’ny resaka Tsapiky ny tarika Tirike ka nahatonga ny Fitondram-panjakana nanao izay nahatongavan’i Tirike Augustin teto Madagasikara nanotrona sy nandray anjara feno tamin’ny Festival de Tsapiky notanterahana tao Toliara ny 17-18 aprily lasa teo, izay nanehoan’ny vahoakan’i Toliara ny hafaliany.
NITONDRA AN-TSEHATRA SY NANAPARIAKA VOALOHANY NY TSAPIKY
Lasa harem-bakoka eo anivon’ny UNESCO nanomboka ny 10 desambra 2025 ny Tsapiky, ka anisan’ny tsy azo kosehina amin’ny tantaran’ny Tsapiky ny Tarika Tirike, izay nitondra an’io bahan-kira avy any Atsimo io ho azo jerena an-tsehatra voalohany, nampiditra ny resaka fandihy, mba hitazonana ny mason’ny olona hijery sy hihaino,... Nampiakatra voalohany ny Tsapiky tamin’ny hetsika lehibe teto Madagasikara. Nanomboka tao Toliara, niakatra teto Antananarivo, ka isan’ny notsiahivin’i Tirike hatrany fa ny seho teto Antananarivo ny 07 novambra 1993 izay nahavaky vava ny mpanao Gazetin’ny TVM Atoa Alphonse Andriamahaly ny takarivan’iny izay nilaza tao anatin’ny fampahalalam-baovao fa : « ny Tarika Tirike no mpanakanto voalohany avy any anindran-tany nambabo an’Antananarivo ». Nitondra izany tamin’ny sehatra iraisam-pirenena toy « Découvertes RFI »,… Ny Tarika Tirike no nitondra voalohany ny Tsapiky tany amin’ny tapany avaratry ny kaontinanta Avaratry Amerika tamina hetsika lehibe samihafa. Tafiditra ho isan’ny vakoka iraisam-pirenena.
HISOLO TENA AN’I MADAGASIKARA ANY MONTREAL
Nisaotra ny fitondram-panjakana ny tenany, nampahatsiahy fa ny tsapiky dia nisy ny niandohany, izy no tonga amin’izao toerana izao, ary ampahafantarina ny tanora, fa izahay no isan’ny nampiakatra voalohany ny Tsapiky ho isan’ny gadon-kira azon’ny Malagasy manontolo jerena an-tsehatra, nampakatra ny tsapiky tamin’ny Festival rehetra sy ny hetsika lehibe maro teto Madagasikara, nitondra ny tsapiky tamin’ny Festival iraisam-pirenena,… Nampahafantatra ofisialy ihany koa i Tirike Augustin ny zoma lasa teo, fa ny Tarika Tirike no hisolo tena an’i Madagasikara amin’ny Festival lehibe hatao any Montréal Canada ny 9-10 mey ho avy izao, ka nangatahany tsodrano tamin’ny fitondram-panjakana ho tsara mandroso tsara miverina.
Toky R

 

Dans la même rubrique

20-avril-2026

Henika Tsapiky i Toliara ny faran'ny herinandro lasa teo.

Card image cap
20-avril-2026

tamin'ny alalan'ny ody gasy ?

Card image cap
17-avril-2026

an-tanana ao Inde

Card image cap