airtel

kolontsaina

20-nov-2023

Ninie Doniah

Tsy namelana raha tsy maty...

Sample post image

Vita ny tolona ho an’i BEZARA Eliane Virginie na Ninie Doniah, mpanakanto mpanjakavavin’ny salegy, Anisan’ireo

20-nov-2023

mpanakanto mamiratra nanomboka ny taona 90, ka isan’ny ahalalan’ny maro azy ilay hira hoe : « Malilo malilo », nitondra avo ny kanto Malagasy maneran-tany. Mpisehatra tamin’ny politika ihany ko aizy. Maty teny an-dalana nitondrana azy nihazo ny hopitaliben'i Diego izy rehefa nalefa tany Antsiranana noho ny fihomboan’ny aretiny ka tsy vitan'ny dokotera tany an-toerana tao Nosy Be intsony. Omaly tamin'ny 02 ora sy 40 minitra no nigadona tao amin'ny hopitaly ny fiara nitondra azy, saingy efa vatana mangatsiaka sisa. Ankoatra ny zava-kanto, efa kandida depiote tamin’ny lokon’ny Antoko TIM izy ny taona 2018, ary nitarika ny RMDM Nosy Be. Niady tamin’ny heveriny fa tsy rariny mahazo ny vahoaka. Ny volana desambra 2021 no efa nosamborina i Ninie Doniah noho ny fitarihana vahoaka Zafiny Fotsy hiaro ny taniny, saingy nitsangana niaro azy ny mponin’i Nosy Be, ka navotsotra izy. Naverina nosamborina sy naiditra am-ponja ny 16 jona 2022. Antony nanenjehana azy ny fijoroany niaro ilay fijoroana niaro ny tany voalaza fa an’ny vahoaka manodidina ny 2000Ha tao Nosy Be izay voalaza fa nataon’ny mpanam-bola ampihimamba. 11 volana taorian’ny nampidirana am-ponja azy, nivoaka ny didy ny aprily 2023, izay nanameloka azy higadra 18 volana, ka vesatra nanenjehana azy ny fanirahana olona hibodo tany, fikambanan-jiolahy na « association des malfaiteurs », notondroina ho nanao fisolokiana na « escroquerie » noho ny hanaovana tsipaipaika ara-bola hanaramana mpisolovava ho an’ireo olona manan-tany lasan’olona,… Nambara ho manongam-panjakana sy misakana ny « projet présindentiel » ihany koa,... Maro no nanasokajy ny zava-nanjo azy ho fanenjehana ara-politika noho ny maha olon’ny fanoherana azy sy ny fahasahiany nijoro niady tamin’ny heverina fa tsy rariny.
FAMOTSORAN-KELOKA KOBAKA AM-BAVA
Ny O4 aogositra teo nandritra ny Festival Somaroho andiany faha-10 tao Nosy Be, nandohalika teo imasom-bahoaka ny mpanakanto Wawa, nitalaho tamin’i Andry Rajoelina izay mbola filoha tamin’izany ny mba hamotsorana an’i Ninie Doniah ka nilaza hoe : « ampy eky izay !», ary nanaiky izany ingahy Andry Rajoelina, ary ny fampahalalam-baovao akaiky ny fitondrana dia nanasokajy izany ho teboka tsara ho an’io Filoha eto aloha io amin’ny lafiny politika. « Havoaka ny fonja i Ninie Donia. Neken'ny filoham-pirenena Andry Rajoelina ny amoahana ity mpanakanto ity », araka ny nambaran'i Wawa tamin'ny famaranana ny festival Somaroho tany Nosy-Be ny 13 aogositra satria tonga tany rahateo ny i Andry Rajoelina tamin’izany. Kobaka am-bava fotsiny ihany izany fa tsy navoaka ny fonja akory ny tenany. Ny pejin-tserasera mpanohana ny fitondrana Rajoelina aza mbola nanadrohadro fa nihetsika krizy noho ny fahenona ny valim-pifidianana i Ninie Doniah. Tsy soatoavina Malagasy ny manenji-dresy, kanefa dia izany no mitranga, izany no fitezana politika misy, manimbazimba ny maha olona,…
NIVADIKA HO FAMPIJALIANA, TSY NAMELANA RAHA TSY MATY…
Ny seraseran’ny Minisiteran’ny kolontsaina izay novainy avy eo dia nilaza fa « narary efa elaela ny tenany, nisafidy ny tsy handalo fandidiana izy ka notsaboina tao Nosy Be. Niombo ny aretiny ka ka andalana hoentina hotsaboina any Antsiranana izy izao nodimandry izao ». Ny volana janoary 2023 no voalaza fa efa nangataka alalana hitsabo tena tany Mayotte izy, ary misy taratasy momba izany, fa tsy nekena. Raha fivoahana no nantenaina taorian’ny fangatahan’ny mpanakanto Wawa sy ireo artista hafa, dia fampijalina no setriny. Ny volana septambra, niharatsy ny fahasalamany, ka nangataka toerana mba tsaratsara izy ka neken’ny lehiben’ny mpiandry fonja (CE) izany, hoy ny fanazavan’ny havany. 4 andro taorian’io fangatahany anefa dia nisy baiko hafa indray nomen’ilay “Adjoint CE” na lefitry ny fitantanana ny fonja fa hoe fa mila averina amin’ny toerana nisy azy izy. Talanjona izahay hoe ho vonoina ve ny havanay ity sa inona no tena tian’ny fanjakana atao aminy ? hoy hatrany ny fianakaviany tamin’izany? Tsy misy fifonana ohatran’iny nataon’i Wawa iny satria latsa-dranomaso mihitsy izy kanefa dia vao manika ampijalian-dreo i Ninie Donia, hoy izy ireo. Tianay ho fantatra hoe baikon’iza loatra no arahin’ireo mpiandry fonja? Avy aiza no milaza izany tsy fahazoany manao “traitement” na fitsaboana izany sy ny antony namerenana azy amin’ny toerana nisy azy teo aloha izany?.Tokony sahy manao an-tsoratra izany baiko izany ny olona ao ambadik’izao fampijaliana an’i Ninie Donia izao, hoy hatrany ny fianakaviany tamin’ny volana septambra. Tsy vao sambany, fa talohan’izay dia nisy fotoana i Ninie Donia nitsabo tena tany amin’ny Hopitaly. Nitsidika azy i Siteny Randrianasoloniaiko izay tao anatin’ny Mihava Tour tamin’izany, ka taorian’io dia naverina haingana tany am-ponja i Ninie Doniah.
NAMOIZANY NY AINY NY ADY HO AN’NY MADINIKA
Rehefa zohiana, tsy afa-bela i Ninie Doniah raha tsy maty. Tsy nasiana vidiny ny fitalahoana nataony, ny tarainany teo anatrehan’ny aretina nahazo azy, ny fiangavian’ny fianankaviany,… Sanatrian’ny vava ny hoe : finiavana hisintona lakolosy fa tena tsy namelana raha tsy maty ilay vehivavy sahy nijoro teo anatrehan’ny fahatsapany zavatra tsy rariny ? Aiza ho aiza ilay hoe : ny fitiavana no lehibe indrindra ? Vita ny azy ny tolona sy ny hazakazaka, fa anjaran’ny velona no manohy azy, ary isaorana azy ny vitany, izay niafara tamin’ny famoizany ny ainy. Mirary fiononana feno ho an’ny fianakaviamben’ny zava-kanto sy ny tontolo politika, fa indrindra ny fianakavian’i Ninie Donie isika eto amin’ny Tia Tanindrazana.
Toky R

 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Hatramin’izao dia mbola tsy eken’ny fanjakana malagasy ho andro tsy fiasana

Card image cap