Fotoana iray tsy hanam-paharoa izy io, raha ny fanentanan’i Njakatiana ary tsy isan’andro no handre izany fampiaraham-peon’ireo ela nihetezana no sady andrarezin’ny mozika malagasy toy ireto zokibe ireto izany. Ho fitantanana ny lafiny fandriampahalemana sy hampirindra ny fandaminana rehetra moa dia nilaza ny mpikarakara fa ho fandrihina mialoha avokoa ny tapakila rehetra ahafahana mijery ity fampisehoana ity na inona na inona karazany. Antony io hisian’ny fanentanana momba izany sahady ao anatin’izao 1 volana mialoha izao, hoy hatrany ny fanazavana.
J. Mirija
Vonona Hampandroso hatreny ifotony ny teny sy ny soa toavina Malagasy ny fikambanana
Rahariva izany no fotoana miaraka amin’i Silo etsy amin’ny Enceinte Urban Futsal Galaxy Andraharo