Miisa 5 ny Akany mandrafitra azy io dia ny Akany Valisoa Anketraka, Akany Longosoa Ampasy Toliara, Akany Fiadanantsoa Anketraka, Akany Nahodasoa Amatara ary ny Akany Marosoa Marofotsy. Ny fikambanana MGM (Malaza Ny Gasy), fikambana izay manao asa soa, no miantsoroka an’ireo Akany ireo. Tanjony ny hahafahan’ireo ankizy any atsimo misitraka fampianarana sy fanabeazana toy ny ankizy rehetra ka mba hahatanteraka izany indrindra dia mikarakara ny fampisehoana ataon’ny tarika “Ny Ainga sy ny mpandihany” ity fikambana ity, hoy ny fampitam-baovao voaray. Mitondra ny lohateny hoe “Vaky sehatra 2023” io fampisehoana io ary ho tanterahana ny alahady 30 aprily ho avy izao eny Antsahamanitra manomboka amin’ny 2 ora tolakandro. Ny vola rehetra azo amin’io fampisehoana io dia entina hanampiana ireo ankizy sahirana ireo amin’ny fanorenana trano fianarana any an-toerana, fividianana seza sy latabatra fianarana, fitaovam-pianarana maro samihafa ary famatsiana rano eny anivon’ireo akany, hoy hatrany ny fampitam-baovao. Izay izany vao hamaky sehatra etsy Antsahamanitra ny Ny Ainga ho an’ity taona ity.
J. Mirija
Izany fifidianana izany, antenaina ho vahaolana ; eto amintsika anefa, ny fifidianana manjary filan-kisa.