airtel

kolontsaina

20-juin-2023

kolontsaina

Ny Rado Rafalimanana «Hanohy ny ozona mihatra ny kianja masoandro»

Sample post image

Ry mpiadidy mahefa ny tany sy ny fanjakana, hoy ny filohan’ny ONG Ny Fanahy Mahaolona, Ny Rado Rafalimanana. Manana adidy ny tena hiresaka ny nataonareo ny omaly (TTF : ny alin’ny alahady teo).

20-juin-2023

Isaorako ianareo mpiadidy mahefa eto Madagasikara namerina indray ny fanokafana azo tsidihin'ny malagasy ny Rovan'ny Manjakamiadana, hoy izy. Eny, maro no tiana resahina fa ny hita sy tsapa dia asa na ilay ministeran'ny kolontsaina no tsy manara-dalàna tsy manao fandalinana ny fombafomba, indrindra, ny firafitry ny hasina amin’ny toerana manan-kasina toy itony na manao terivaimanta ianareo mpanapaka ambony. Fady amin’ny toerana Rova ny mitokana zavatra amin’andro alina na maizina. Ny tena loza dia ilay Lapa Masoandro mihitsy no notokanana amin’ny andro maizina. Fitokanana anaty rovan’ny Manjakamiadana kanefa kabary amin’ny teny frantsay, tenin'ilay firenena fahavalo fahagola izay nanjanaka, fady amin`ny hasin-teny izany. Tsy fanajana harofenitra, sahin'ilay ramatoa minisitry ny serasera no mianjaika toy ny fitafin'ny mpanjaka vavy! Fady izany ao anaty rova. Maty hasina ilay rova! Ny ankamaroan’ireo olona nasaina dia vahiny toy ny frantsay sy karana. Tsy azo dinganin’ny lehilahy tsy mifora ny vavahady avaratra kanefa teo daholo izy ireo no nidika. Fady tanteraka izany. Ny vavahady atsimo no natokana ho an'ireo tsy mifora. Fady ny mampandoa sandany ara-bola ny malagasy hitsidika ny Rova! Ny toerana masina tsy mahazo sandaina vola na takalo. Ilay kianja masoandro izay mitoetra eo amin'ny lapa masoandro dia tsy vakoka malagasy ary hanohy ny ozona mihatra mandrakan'androany ny fisiany. Fehiny, saro-pady tompoko io toerana io. Mila mandinika isika, indrindra ianareo mpiadidy mahefa vao manao zavatra fa manody amin'ny taranaka isika, ianareo ny tsy fanajana ny fady amin'ny toerana masina. Ny tody no lasa ozona izay dimbiasin’ ny taranaka isika, ianareo, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

21-mai-2025

Hanolotra seho miavaka ny Tarika Solika ho fankalazàna ny fetin’ny reny ny

Card image cap
20-mai-2025

Hanolotra seho miavaka ny Tarika Solika ho fankalazàna ny fetin’ny reny ny Alahady

Card image cap