airtel

kolontsaina

06-juil-2023

kolontsaina

Olombelo Ricky Hanolotra «Takariva mahatsara vahiny»

Sample post image

Tonga indray ity ny vaninandrom-panadinana. Mamaramparana io mpanala BEPC.

06-juil-2023

Ho avy ny Bakalorea ary aorian’ny faha 20n’ny volana dia efa hanakoako eran’ny tanàna indray ity resaka manala azy vita Bacc ity. Rehefa miresaka an’izay moa dia mazava ho azy fa sarotra ny tsy hiresaka izany Olombelo Ricky izany, izay tao anatin’ny taona maro izany izao no niantsoan’ny mpankafy zavakanto azy hoe mpanjakan’ny manala azy. Izy rahateo no nitondra izay voambolana izay teo amin’ny tontolon’ny hira sy mozika, 30 taona lasa izay. Mialohan’ny Manala azy vita bacc nefa aloha dia hanolotra ny seho mitondra ny lohateny hoe «Takariva mahatsara vahiny» ao amin’ny Cit’hotel, Frantsa, ity mpanakanto ity ny 8 jolay izao, hoy hatrany ny fampitam-baovao.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

15-mai-2025

Herinandro mahery kely taorian’ny nirosoan’ny antenimierampirenena

Card image cap