Efa somebiseby ny ankamaroan’ireo olona indrindra fa eny an-tsena. Tsikaritra anefa,na izany izany aza ny fisondrotr’ireo entana mifandraika amin’izay fety izay raha tsy hiteny afa tsy ny atody, manodidina ny 500ar izany teo aloha ankehitriny efa tafiakatra 600 ka hatramin’ny 650ar izany arakarakin’ny toerana sy ny habeany.Tsy misaraka amin’ny fety koa ny akoho amam-borona, samy manao izay mahamety azy ireo mpivarotra. Mba manararoatra kely rehefa ankatoky ny fety toy izao satria izao vao mba misy mividy ; efa iaraha-malala ny hasarotan’ny vidim-piainana hoy ny mpivarotra izay sendra nanontaniana. Misy ihany koa anefa ireo tokantrano tsy mahavidy intsony noho ny fahasahiranana. Milaza ireo olona izay sendra nanontaniana fa miaina amin’ny zava-misy aloha, izay kely hanana no entina ampifaliana ny ao an-tokatrano. Azo sokajiana fa ireo manan-katao sisa no miaina izany fety izany. Rehefa mba miotra kelin’ny mahazatra fotsiny dia efa zava-dehibe. Mihen-danja tsikelikely ny fankalazana ny fety noho ny fihenan’ny farim-piainan’ny vahoaka. Hita fa tena latsaka ambany tokoa, samy manao izay mahafalifaly ny ankohonany amin’ny izay eo am-pelatanana sisa.
Princy Lucas
Toy ny fanaony isan-taona dia hanolotra amboarankira Paska ny antokom-pihira Orimbato .
Tontosa ny alahady 13 martsa 2025 teo tetsy Ankadifotsy, tamin’ny alalan’ny fanompoam-pivavahana lehibe,