tia tanindrazana

Parution du Vendredi, 2 Juin 2023

airtel

kolontsaina

Pika sary ho an’ny gazety Raikitra ny fampirantiana mandritry ny iray volana

Fanaovan-gazety feno ny fakana sary ho an’ny gazety na ilay antsoina amin’ny teny frantsay hoe “PhotoJournalisme” saingy mbola vitsy mpahalala,

16-nov-2022

Sample post image

hoy ny fampahafantaran’ny minisiteran’ny serasera sy ny kolontsaina nandritry ny fanokafana ny volan’izany tetsy Ambohidahy omaly. Ny Mpanao gazety mpaka sary anefa no isan’ireo tena misedra ny mafy rehefa eny an-kianja. Hanasongadinana ireo mpanao gazety mpaka sary sy ny asa ataony isan’andro hiantohana ny zon’ny olom-pirenena hahazo vaovao, dia nanokana ny volana novambra ho iray volan’ny pika sary an-gazety ny fitondram-panjakana amin’ny alalan’ny Minisiteran’ny Serasera sy Kolontsaina. Hifarana ny 15 desambra 2022 moa izany volana natokana ho azy ireo izany. Harantin’ireo mpanao gazety mpaka sary miisa 13, mpikambana ao amin’ny “Collectif des reporters d’images de Madagascar” na CRIMAD, mandritra izany iray volana izany, etsy amin’ny Trano Sary etsy Ambohidahy ny santionany amin’ireo fanadihadiana an-tsary nataon’izy ireo ho an’ireo orinasa fanaovan-gazety iasan’izy ireo tsirairay, hoy hatrany ny fampitam-baovao voaray.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

Card image cap
Fanabeazana sy asa fandraharahana Hiara-hiasa akaiky ny Club IST’Orique sy ny JEJOO
02-juin-2023

Sekoly ambony momba ny teknolojia ny IST ary lalam-piofanana lehibe telo no misy ao aminy izay tsy misy fampiofanana momba ny asa fanaovan-gazety.

Card image cap
Carpe diem Ho ampiainina etsy Isoraka miaraka amin’ny Doubl’e’nn
02-juin-2023

Antsika izao tontolo izao», io no lohatenin’ny fampisehoana ho entin’ilay mpiangaly mozika Rap efa nanamarika ny faraparan’ny taona 1990

Card image cap
Josephin Andriandrainarivo «Maka ozona amin’ny mpahary isika manovaova teny malagasy io»
01-juin-2023

Laharana faharoa amin’ny maha olona ny olona ny teny, hoy ny mpandala maha malagasy sady filohan’ny Fikambanan’ireo mpitsabo nentim-paharazana eto amintsika na ANTM, Josephin Andriandrainarivo.

Card image cap
Iray volan’ny ankizy Ankizy miisa 300 no notolorana fanomezana omaly
01-juin-2023

Hankalazaina mandritra ity volana jona ity ny iray volana ho an’ny ankizy. Tsy handalo fotsiny ihany izany ho an’ny vadin’ny filoha amin’ny alalan’ny fikambanana Fitia sy ny Ministeran’ny mponina.

Voir plus