airtel

kolontsaina

23-déc-2022

kolontsaina

Rabejean Miarinarivo “Efa ela no tokony narenina ny fitotongan’ny kolontsaina teto”

Sample post image

Latsaka ambany toy ny sandan’ny Ariary ny kolontsaina teto Madagasikara tamin’ity taona 2022 ity, hoy ny mpitsoka sodina vava, mpikabary,

23-déc-2022

poeta, mpandalina sy mpanao vakodrazana, Rabejean Miarinarivo. Lasa mibahana be ny fomba amam-panao sy rivo-baovao ary kolontsaina avy any ivelany, hoy izy. Efa tena kolom-pitombenana no mitranga any anaty tambazotra fa tsy misy maha kolontsaina azy intsony. Ny mpihira moa matetika no tena itrangan’ilay izy. Lasa tsy hita intsony ny hira misy fanahy fa anjakan’ny voambolana tsy voafantina, tsy fampiseho masoandro. Tadidio fa faka tahaka ny artista. Eny an-kianja, mitanjaka ianao, nefa mety misy olom-pady be dia be mijery eo. Na ny teny avoaka aza tokony ho fidiana. Efa ela no tokony narenina ny fitotongan’ny kolontsaina teto. Andeha ho koloina ny maha isika antsika. Ahoana no hiverenan’izany rehetra izany? Andao isika hiverina amin’ny maha gasy! Raha ianareo mpanao gazety na ireo mpiasa amin’ny haino aman-jery fotsiny, ohatra, no mandefa hira tena malagasy sy manipy teny mikasika ny kolontsaina hatrany amin’ireo fandaharana mandeha dia miverina ho azy ao an-tsain’ny ankizy ankehitriny izany fa satria izao ny hira vahiny na gadona vahiny no mandeha amin’ny haino aman-jery dia na ireo bebe sy dadabe aza dia ireny no lasa tononkira tsy afaka am-bavany. Tokony averina ny fifaninanana vakodrazana tahaka ny natao tamin’ny andron’ny filoham-pirenena teo aloha, Philibert Tsiranana, isam-pokontany. Avy eo miakatra amin’ny fivondronana, faritany, nasionaly. Ny tanora toa anay koa no mila tonga saina hoe hanandratra ny kolontsaina maha izy ny tena ve sa haka tahaka ny an’ny hafa dia 4 na 5 taona dia tsy hita intsony, hoy hatrany ny tenany.

J. Mirija

 


 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Hanolotra seho miavaka eny Talatamaty eny indray ny tarika Tempo gaigy ny 5 may 2024 izao,

Card image cap
23-avril-2024

Hifanakalo mozika anaty alina miavaka etsy amin’ny Le Pavé Antaninarenina ry Bekoto,

Card image cap