airtel

kolontsaina

14-mars-2022

kolontsaina

Raiamandreny ara-drazana Haneho ny tena herin’ny fanahy ao aminy ireo Manankasy

Sample post image

Haneho ny tena herin’ny fanahy hananan’ny Manankasy ireo Raiamandreny ara-drazana eto amintsika.

14-mars-2022

 Taorian’ny hasin’ny tany sy ny hasin’ny teny izay efa nampahafantarin’izy ireo ny taranaka faramandimby sy niantsoany ireo Raiamandreny ara-drazana manankasy manerana ny faritra 22 dia fantatra fa hanangana ny maty ihany koa izy ireo. Raha araka ny fanazavan-dRabeviavy Brice Christopher, filoha nasionalin’ny AKATA dia fanahy hananan’ny Malagasy izany ary tokony ho vitan’izy ireo tsara rehefa tena tafaverina ao anatin’ny tsirairay ilay hasina. Hialohavan’ny famerenan-kasina sy ny hasin’ny fomban-drazana sy ny soatoavina Malagasy ity fampahafantarana ny herin’ny fanahy ity izay hatao eto amintsika tsy ho ela. Nisy moa ny Sabotsy teo ny fanehoana ny firaisankinan’ny Malagasy manerana ny faritra 22 tetsy Mahamasina, natrehin’ ny Printsy vavy Francoise Kamamy, Ny printsy Fenosoa, ireo fianakaviana Antemoro.. . Ho santatry ny fanoratana diary ny tantaran’i Madagasikara izany hoy hatrany Rabeviavy Brice Christopher ary ho hitan’izao tontolo izao maso. Nofaranana tamin’ny fitsofan-drano ireo tonga nanatrika ny fotoana ny lanonana. Tsiahivina moa fa efa natombok’izy ireo tamin’ny fampahafantarana ilay teny hoe : Manankasy izay anaran’ny Malagasy izany ary mbola notsiahiviny fa Manankasitsara no tokony ho anaran’ity firenentsika ity fa tsy i Madagasikara izany.
Pati
Legende : Rabeviavy Brice Christopher, filoha nasionalin’ny AKATA sy ireo raiamandreny ara-drazana tonga nanotrona azy
 

Dans la même rubrique

02-mai-2024

Miantso ny Dokotera sy rasazy isany izahay, hoy ny sendikan’ireo mpitsabo nentim-paharazana eto Madagasikara na SEMPINEMAD

Card image cap
02-mai-2024

Nanamarika ny andro iraisampirenena ho an’ny asa na ny 1 may tetsy Ivandry koa omaly ny SEMPINEMAD

Card image cap