airtel

kolontsaina

03-nov-2023

Raiamandreny ara-drazana manerana ny nosy

Miantso ny fanajanonana ny fifidianana

Sample post image

Nanao fanambarana miaraka tetsy Isotry koa omaly ireo raiamandreny ara-drazana sy zana-drazana eto Madagasikara.

03-nov-2023

Nanome sosokevitra ialana amin’ny krizy izy ireo. Tsy misy sahy hijanona hitaza-potsiny manoloana ny toe-java-misy eto Madagasikara amin’izao fotoana izao ny malagasy. Madagasikara izay tandindonin-doza ankehitriny. Ny tany misy olobe tsy miady zaza, hoy ny fitenenana, ka nijoro izahay raiamandreny ara-drazana miaro ny vahoaka sy ny tanindrazany. Ny jery todika ny fiainam-pirenena malagasy hatramin’ny faha mpanjaka, fanjanahantany, repoblika dia maneho miharihary fa ny fampiasana fahefana nandritr’izay 65 taona izay dia nampiditra sy nanitatra ny kolontsaina hafa tsy mifanaraka amin’ny maha malagasy. Izany dia nitarika ho amin’ny fahaverezana miandalana ny soatoavina malagasy miaraka amin’ireo mari-pahamantarana miaraka aminy. Miha mahantra, araka izany koa, ny firenena. Ny vahoaka vitsy an’isa sisa miha manan-karena izay baben’ny vahoaka maro an’isa. Tsy nitondra vokatra tsara ny fifidianana nifanesy teto, indrindra, ny fifidianana nanomboka ny taona 1958 ka hatramin’izao. Voamarika tao amin’ny tantaran’i Madagasikara ny olana miverimberina nampitotongana ny fampandrosoana ara-toekarena sy sosialy. Isany ny krizy mialoha, mandritra, aorian’ny fifidianana, ny kolontsainana hoso-pifidianana, kolikolim-pifidianana miha ratsy mandritry ny fampihelezankevitra hatrany amin’ny ambaratongam-pahefana maro samihafa toy ny CENI sy HCC. Ny krizy miverimberina toy ny 1972, 1991, 2002, 2009 noho ny fiovaovan’ny lalàmpanorenana ary ny fitazomam-pahefana tsy nahitana taratra velively ny tena safidim-bahoaka, ny hetahetan’ny vahoaka araka ny demokrasia marina, ny fandrosoana ara-toekarena ary ny fitsipi-piarahamonina araka ny rariny sy hitsiny ho an’ny sokajin’olona rehetra ary ny faritra rehetra isam-bohitra amin’ny firenena. Sosokevitra ny famerenana ny firaisankinan’ny malagasy, ny fifotorana amin’ny zava-misy ara-tantara hakana lesona tsy hiverenana amin’izay efa nanimba tany aloha, ny firosoana an-doharano hamerenana ny kolontsaina maha malagasy dia ny fihavanana, fatoram-pihavanana, satam-pirenena malagasy, ny rariny sy hitsiny. Faha efatra ny fampihavanana mba hahazoana fiandrianam-pirenena. Faha 5 ny fanapahan-kevitra ara-politika sy fandaminana ny fikarakarana fifidianana, hoy hatrany izy ireo. Miantso ny fanajanonana ny fifidianana fa hirosoana amin’ny fifankatiavana sy fihavanana kosa moa izy ireo.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Hatramin’izao dia mbola tsy eken’ny fanjakana malagasy ho andro tsy fiasana

Card image cap