airtel

kolontsaina

25-janv-2023

kolontsaina

Raikitra ny diabe teny Anosy Mitaky ny fialan’ny Minisitra Lalatiana ry Rossy

Sample post image

Nafampana tetsy Mahamasina sy Anosy omaly noho ny fifanolanana eo amin’ny samy artista ary ny artista sasany sy ny Minisiteran’ny serasera sy ny kolontsaina.

25-janv-2023

Omaly ny fotoana voatondro hanaovan’ireo artista sasany fifidianana izay ho mpikamban’ny Filankevi-pitantanana, rehefa ambara fa lany daty tamin’ny novambra 2022 ireo andaniny. Nialohan’izay, dia efa raharaha be ny nanesorana ny Talen’ny OMDA sy ny tsy fahazoana ny vola izay zon’ny mpamorona nanomboka teo. Raikitra diabe notarihin’ny Filohan’ny Sendikan’ny Artista dia ny depiote sady mpanakanto Rossy sy ireo Mpikamban’ny filankevi-pitanana, niaraka tamin’ny mozika naketsy Mahamasina. Nakatona ny vavahady niditra tao amin’ny Lapan’ny Fanatanjahantena sy ny kolontsaina Mahamasina, saingy rehefa niakatra ny maripana dia tafiditra ihany izy ireo. “Tokony ho ato izahay miaraka amin’ny mpanao vakisôva sy mpanao hiragasy sy ny rehetra saingy misy manely tsaho fa hanakorontana satria hoe: jiolahim-boto, maintimainty, mpigafy, ka tsy ho ao fa manafatra fotsiny hoe ataovy amin’ny ara-dalàna ny fifidianana dia tsy misy ny gidragidra”, hoy I Rossy. Nambarany fa antsoina tampoka, ka ahoana no hiakaran’ny any Diego sy Tamatave, any amin’ny herinandro fahatelon’ny febroary no fanaovana fifidianana. Izy mianankavy no nivorivory tany. Raha tsy misy fifidianana mandeha amin’ny ara-dalàna eto dia hifankahita eto, hoy izy nanitrikitrika. Mpanao gazety, hoy I Rossy, no azonao atao an’izany fa tsy ny artista. Raikitra noho izany ny diabe, ka niazo an’Anosy hikaroka ny Minisitra Lalatiana Rakotondrazafy izy ireo. “Ny minisitera sy ny minisitra dia tokony ho olona mpandamina, ampangaiko ny minisitra ho mampiady ny tanora aminay olon-dehibe, mampiasa “compte fake” manala baraka anay isan’andro”, hoy I Rossy, izay niapanga ihany koa ny minisitra Lalatiana Rakotondrazafy ho tsy manaiky ny tatitry ny fanadihadian’ny IGE (Inspection Générale de l’Etat) sy ny Bianco izay ambarany fa namoaka tatitra amin’ny fahadiovan’ny mpitarika nahitana ny Filankevi-pitantanana. “Nadio ny fanaraha-maso telo taona ny olona iray, ka rehefa nadio ilay olona dia noroahina ka mba rariny ve izany. Ny olona nanao ny fitsirihana, izay avy amin’ny Freedom no napetraka teo ka tsy ekenay”, hoy I Rossy. Tsy tao an-toerana moa ny Minisitra, ary efa rakotra mpitandro filaminana teny Anosy nisy ny Minisitera iadidiany. Nambaran’I Rossy fa ity Minisitra ity ihany koa no manodinkodina ny lohan’ny Filoham-pirenena tsy hihaino azy ireo, ary nilaza izy fa misy olona manao takalon’aina na “chantage” ny Filoha, ka tsy misy tokony hatahoranao an’io, hoy hatrany I Rossy. Nikasa hanao tatitra ihany koa ny Mpikamban’ny Filankevi-pitantanan’ny OMDA mialohan’ny hanaovana fifidianana, saingy niteraka fifamaliana teo amin’ny mpanakanto Jaojaoby sy Rogesselin Filoha Mpisolo toeran’ny OMDA sy ny ekipany. Ity farany nanitrikitrika lalàna sy nivoy fa filankevi-pitantanana lany daty, ary ny andaniny nilaza fa fitsipika anatiny dia milaza fa tokony hanao tatitra aloha ny Filohan’ny filankevi-pitantanana. Tafiditra anaty fisaraham-bazana ny samy artista!
Toky R
 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Hanolotra seho miavaka eny Talatamaty eny indray ny tarika Tempo gaigy ny 5 may 2024 izao,

Card image cap
23-avril-2024

Hifanakalo mozika anaty alina miavaka etsy amin’ny Le Pavé Antaninarenina ry Bekoto,

Card image cap