airtel

kolontsaina

11-déc-2025

REKO

SY NY FARAN'NY TAONA

Sample post image

Hanatanteraka fampisehoana goavambe

11-déc-2025

Tsy handalo fotsiny ny faran'ny taona 2025 ho an'i Reko, mpanankato tsy zoviana amintsika intsony. Na dia tsy tanteraka aza mantsy Ilay concert goavambe saika nataony tany Eoropa noho ny antony manokana dia tsy ho diso anjara amin'izany kosa isika eto an-tanindrazana. Ny 28 Desambra ho avy izao manomboka amin'ny 03 ora folakandro no hanatanterahany io fampisehoana io etsy amin'ny lapan'ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena etsy Mahamasina. Hisokatra amin'ny 11 ora atoandro ny vavahady. Ankoatra ny fivoahan'ilay raki-kira vaovao dia hisy ny surprise marobe hoatolotr'i Reko ho an'ny mpankafy mandritra io fampisehoana io. Tsy ho latsa-danja amin'izany ny fihirany ireo hira vaovao sy nahafantarana azy toy ny Mitonia zanako...Hatramin'ny omaly nihaonany tamiin'ny mpanao gazety dia ny tapakila fanzone sy ny silver sisa no misy. Miantso ny mpankafy rehetra hihazakazaka haingana araka izany ny tarika Reko hahafahana mihaona sy miara-paly amin'io fotoana io.
Pati
Légende : Ireo mpikambana ao amin'ny tarika nitafa tamin'ny mpanao gazety omaly !
 

Dans la même rubrique

17-avril-2026

an-tanana ao Inde

Card image cap