Revy hafa mihitsy io, hoy ny fampitam-baovao voaray, satria dia natao batisa hoe Revy «Mahaleo and friends» na Mahaleo sy ny namany. Tsy iza moa ireo naman’ny Tarika mahaleo ankoatran’ireo taranany ireo fa ny tarika Lolo sy ny tariny sy ny tarika Tsiakoraka ihany. Maro tokoa ireo manina izany revy Mahaleo sy Lolo hatramin’ny taona 1972, hoy ireo mpankafy hatramin’ny ela ny tarika roa tonta. Nitondra rivo-baovao teo amin’ny tontolon’ny gadona Folk teto Madagasikara ihany koa moa taty aoriana ry Tsiakoraka ary dia niha nifanojo hatrany teny ny tadin-dokanga rehetra, raha ny fampahatsiahivana hatrany. «Lemizo», «Te hahita anao!», «Herezo!» sy ny maro tsy voatanisa. Miandry ireo mpankafy!
Nangonin’i J. Mirija
Vonona Hampandroso hatreny ifotony ny teny sy ny soa toavina Malagasy ny fikambanana
Rahariva izany no fotoana miaraka amin’i Silo etsy amin’ny Enceinte Urban Futsal Galaxy Andraharo