sady nidontra ny raki-kira na « Album » andiany voalohany mitondra ny lohateny hoe : « Ianao no tiako » sy ny faharoa « Hihira ho anao ». Talohan’io, nisy ny resadresaka fohy niarahana tamin’i Riri Kambana Metal, izay tena mitondra ny tarika ankehitriny satria efa nirona kokoa amin’ny gadona evanjeika moa ny rahalahiny, fa misy hira evanjelika iraisana, ary mifanotrona hatrany. Mbola hanao fampisehoana be eo Antsahamanitra izy ireo amin’ity taona ity, hiarahana amin’ny mpiangaly Rock goavana hanotrona. Ny iainan’ny mpanakanto ny fiainana ara-toekarena sy ny politika ankehitriny no nitafana fohy tamin’I Riri.
Tia Tanindrazana (TT): MIANTRAIKA AMIN’NY MPANAKANTO VE NY KRIZY ANKEHITRINY? AHOANA NO IAINANA AZY?
Riri Kambana Metal (RR): “Tena mikaikaika ny mpanakanto, raha ohatra anay dia tena sahirana fa ity moa kanto dia atao foana. Raha mitaha ny tany aloha tany ho any amin’ny 2022 niforonanay, dia tena hitako hoe tsaratsara mihitsy tamin’izany ny resaka fifanarahana na “contrat”, niaina tamin’izany, fa amin’izao tena zara raha miaina. Amin’izao tena mitsipotsipona mihitsy. Raha ny toerana misy ny Kambana Metal amin’izao dia tena tsy afaka ny hametraka be tahaka ny taloha fa rehefa misy mba ahafahana mihetsika kely dia izay ifanarahana no atao. Taloha mahita fifanarahana 35 tany ho any ao anatin’ny taona iray, ahitana “contrat privé” toy ny fanafanana mariazy, cabaret,… fa amin’izao raha mahita 15 izany efa tena betsaka, kanefa ilay karama amin’izany tsy ohatran’ny taloha mihitsy. Tena henjana be, tena sarotra ny fiainana amin’izao”.
TT: MANAO AHOANA NY TSENAN’NY FIFANINANA? INONA NA TENA OLANA HO ANAREO MANOKANA?
RR: “Raha ohatranay, tsy manana trano mpamokatra fa “auto-production” ary tena sahirana, fa izany hoe: efa iainana dia atao foana. Asa any aoriana hoe: mba hiova ihany ve ity rafitry ny mpanakanto sy fivelomanan’ny mpanakanto ity sa ho izao foana ve fa izay no tsy fantatro ary iza no afaka hanova azy?
TT :” AKAIKY NY FIFIDIANANA IZAY MATETIKA FIKARAMAN’NY ARTISTA, MIOMANA AMIN’IZANY VE SA DIA HOE: ALEO NY KANTO HO AN’NY MPANAKANTO ARY NY POLITIKA AN’NY POLITISIANINA?
RR: “Tsy afaka misaraka ilay politika sy ilay kanto satria raha milamina ilay politika sy ny firenena dia mety hilamina ihany koa ny mpanakanto. Efa misy eritreretina mihitsy hoe: izahay andeha hirona atsy. Misy mihitsy ny asa famoronana rehefa propagandy, ary izahay efa tao anatin’izay ihany tamin’ny ankapobeny”.
Toky R
Nisy ny fanambaràna iombonan’ny mpitarika Kristianina izay tontosa tetsy
Ny farihin’i Tritriva izay vakoka malazan’iny faritr’i Vakinankaratra iny noho ny lovan-tsofina mikasika