airtel

kolontsaina

04-août-2021

kolontsaina

Rock Malagasy Hametraka tantara ny tarika Green

Sample post image

Ho feno 35 taona atsy ho atsy ny tarika Green, izay mpiangaly Rock Malagasy isan’ny nanamarika ny taona 2000 sy ny manodidina azy tany ho any.

04-août-2021

 Tsy dia fiverenana na hoe “come back” loatra no tianay hamaritana izao fiaingana vaovao izao, hoy ny mpitan-tsoroka na “manager” an’ny tarika, fa tena hametraka tantara mihitsy satria raha izay taona nodiavina izay dia heverina fa azo ilazana fa mba isan’ireo nanamarika na hoe “legend” an’ny rock Malagasy ihany ry zalahy ireo. Fifaninanana mamelona ny hiran’ny tarika, izay nampitondraina ny lohateny hoe “Cover Green” moa no nanombohana ny fanamarihana izany 1 aogositra teo, hoy hatrany ny fanazavana. Nivoaka mpandresy tamin'izany i Fetratiana Fanomezanjanahary ka notolorana ny loka fahafahana manao ampahana rakikira na “demi album” miaraka amin'ny tarika sy manao rakikira feno na “album complet” irery ao amin'ny Blooky Studio ary miaraka amin’izay ihany koa ny rakitsary na “clip” an'ireo rakikira ireo ao amin'ny MarCom Prod. Ankoatran’ireo moa dia notolorana taratasim-bola 1.000.000 ariary ihany koa ny tovolahy. Nahazo laharana faharoa kosa ny Tarika Laingo ka nomena fahafahana manao hira miisa 3 ao amin'ity toerana fandraisam-peo ity hatrany miaraka amin'ny tarika Green sy manao ilay “demi album” ao azy irery. Rakintsary miisa 3 ao anatin’izany kosa no hataon'ny MarCom Prod ho azy ireo ary notolorana taratasim-bola mitentina 200.000 ariary koa moa ireto mpifaninana nahazo ny laharana faharoa nitondra ny hiran’ny Green tamin’ny endriny hafa ireto.
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

02-mai-2024

Miantso ny Dokotera sy rasazy isany izahay, hoy ny sendikan’ireo mpitsabo nentim-paharazana eto Madagasikara na SEMPINEMAD

Card image cap
02-mai-2024

Nanamarika ny andro iraisampirenena ho an’ny asa na ny 1 may tetsy Ivandry koa omaly ny SEMPINEMAD

Card image cap