airtel

kolontsaina

11-juin-2024

Sarimihetsika Malagasy

Nodimandry ihany koa i Holilao Tolotra na « Botakely »

Sample post image

Banga iray indray ny mpilalao sarimihetsika Malagasy.

11-juin-2024

Nodimandry omaly 10 jona maraina teo amin’ny faha-47 taonany i Andrianaivo Holilalao Tolotra (Botakely), mpilalao sarimihetsika tamin'ny horonantsary Andrebabe, novokarin’ny trano mpamokatra Scoup Digital, izay nalaza sy nitondra fialam-boly sy tsikitsiky ho an’ny Malagasy. Vao andro vitsy, ny faran’ny herinandro teo no nindaosin’ny fahafatesana i Dadamanga, mpilalao sarimihetsika teo anivon’io trano famokarana io, dia io lasa nandao io ihany koa i Botakely, kanefa vao ny volana aprily ihany koa no nandao i Emmanuel Malok’ila, raha efa ela no nialoha làlana ry Dr Johary, Mariane, Randrenja, Rabodo, Razaky, Ratoma, Ralay,… Rahampitso 12 jona no halevina eny Masomboay Kaominina Ambanivohitra Tsiafahy i Holilalao Tolotra. Mirary fiononana feno ho an’ny fianankaviany manontolo sy ny tontolon’ny sarimihetsika Malagasy izay banga azy isika eto amin’ny Tia Tanindrazana.
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Hatramin’izao dia mbola tsy eken’ny fanjakana malagasy ho andro tsy fiasana

Card image cap