Fotoana manokana na “séance spéciale” izy io, raha ny fanazavana, satria ho avy hiverina hijery izany sangan’asany izany eny an-toerana koa ity mpanatontosa sarimihetsika ity. Tsiahivina fa sarimihetsika maneho ny fangirifiriana niainan’izany atao malagasy nitolona tao anatin’ny hetsika fitakiana fahaleovantena tamin’ny taona 1947 izany ity sarimihetsika ity ary zary nitarin’ireo efa nahita azy ity hoe “Tabataba 1947” mihitsy aza moa ny lohatenin’ilay sarimihetsika taorian’io taona 1988. Ho an’ny rehetra, indrindra, ireo taranaka taty aoriana izay liana sy mbola tsy nahita ity sarimihetsika malagasy nanana ny lazany iraisampirenena ity, araka izany, dia etsy Analakely no fotoana amin’io 12 novambra io, hoy hatrany ny fanasana.
J. Mirija
Legende: Izy no Raymond Rajaonarivelo aminy
Sekoly ambony momba ny teknolojia ny IST ary lalam-piofanana lehibe telo no misy ao aminy izay tsy misy fampiofanana momba ny asa fanaovan-gazety.
Antsika izao tontolo izao», io no lohatenin’ny fampisehoana ho entin’ilay mpiangaly mozika Rap efa nanamarika ny faraparan’ny taona 1990
Laharana faharoa amin’ny maha olona ny olona ny teny, hoy ny mpandala maha malagasy sady filohan’ny Fikambanan’ireo mpitsabo nentim-paharazana eto amintsika na ANTM, Josephin Andriandrainarivo.
Hankalazaina mandritra ity volana jona ity ny iray volana ho an’ny ankizy. Tsy handalo fotsiny ihany izany ho an’ny vadin’ny filoha amin’ny alalan’ny fikambanana Fitia sy ny Ministeran’ny mponina.