airtel

kolontsaina

18-juin-2026

SARY MIHETSIKA

SY SARY MIAINA Mpisehatra 156 isa

Sample post image

ireo notolorana mari-pankasitrahana

18-juin-2026

Mpisehatra eo amin'ny tontolon'ny sary mihetsika sy sary miaina Malagasy miisa 156 mianadahy no notolorana mari-boninahitra omaly Alarobia 17 Jona teny amin'ny Havoria Anosy. Ny ivon-toeran’ny Sary mihetsika sy Sary miaina Malagasy na ny ISSM no nikarakara izany natrehin'ny Ministry ny serasera sy ny kolontsaina Atoa Gascar Fenosoa. Izay no natao dia mba ho fankasitrahana ny asa nataon'ireo mpisehatra ireo ho amin'ny fampiroborobona ny tontolon'ny sarimihetsika Malagasy. Nanambara ny minisitra fa andiany voalohany ihany izao fa ho tanterahana mandritra ny Festival ny sary mihetsika izay hatao ny 20 hatramin'ny 23 Aogositra ho avy izao ny andiany faharoa. Nanome toky ihany koa ny Ministera fa hoampidirina manokana ao anatin'ny fandaharam-potoanan' ny TVM 2 ny sanganasan'ireo mpamokatra malagasy. Tanjona ny fampandrosoana ny sarimihetsika malagasy mba hiparitaka manerana izao tontolo izao. Tao anatin'ny hafaliana tanteraka no nandraisan'ireo mpahazo tombontsoa izany mari-pankasitrahana izany.
Pati
Légende : Nirotsaka nanolotra izany ny Ministra !

 

Dans la même rubrique

17-juin-2026

fa ahiana ho lasa vetaveta»

Card image cap
17-juin-2026

amin'ny Parvis – Analakely

Card image cap