airtel

kolontsaina

21-févr-2024

Seho goavan-dry Ambondrona eny amin’ny CCI

Hampahatsiahy ny lasa, hifampizarana fahatsiarovana vaovao,…

Sample post image

Somary tsy re firy ny tarika Ambondrona taorian’ny Hetsika Arabe tetsy Analakely ny 16 aprily 2023,

21-févr-2024

fampisehoana maimaimpoana nentina nankasitrahana ny mpankafy. Natokana tamin’ny hetsika sosialy tamin’ny alalan’ny fanabeazana ny vola azo tamin’ny t-shirt, casquette,… izay nahangonana vola 25 tapitrisa Ar nividianana fitaovam-pianarana ho an’ny ankizy sahirana. Efa natomboka ny volana septambra sy oktobra lasa teo ny fizarana ireo fitaovam-pianarana sy ny fiantohana saram-pisoratana anarana ho an’ireo ankizikely sahirana teto Antananarivo sy ny manodidina ary ny tany Fianarantsoa. Mbola hotohizana amin’ity taona ity izany hetsika ara-tsosialy izany, hoy ny fanazavan’i Beranto sy ny ekipany. Sarona kely tao anatin’ny toe-draharaha politika sy raharaham-pirenena ihany koa, saingy taorian’izay dia hiaka-tsehatra, hanao seho goavana etsy amin’ny CCI Ivato ny tarika Ambondrona ny alahady izao. Santatra am-bavaranon’ny fitetezam-paritra ho an’ny 2024, ary io ihany koa no seho voalohany hanokafan’izy ireo ny taona. Seho miavaka no hatolotra eny amin’ny Amphitheatre CCI Ivato amin’io alahady 25 febroary 2024 izao io, hoy i Beranto nitondra tenin’ny tarika nandritra ny tafa nataon’izy ireo tamin’ny mpanao gazety. Hanomboka amin’ny 3ora ny fampisehoana izay haharitra eo amin’ny ora 3 eo ho eo, ka mpankafy hatrany amin’ny 1100 no andrasana ao anatin’io satria io amin’ny ankampobeny no zakan’ny CCI. Hahazo vahana ireo mpankafy ny tarika Ambondrona efa hatramin’ny 24 taona lasa satria dia hohiraina ao avokoa ireo hira hatramin’izany vanim-potoana izany indrindra fa ireo hira tsy dia nolalaovina an-tsehatra loatra, hoy hatrany ny tarika Ambondrona. Fotoana hifampizarana ny soa sy hiraketana fahatsiarovana maro eo amin’ny tarika sy ny mpankafy ihany koa. Azo jifaina ao amin’ny www.ticket.place na eny amin’ny tranombarotra “Mass’In” rehetra kosa ny tapakila izay manomboka amin’ny 40.000 Ariary ary hisokatra amin’ny 12ora ny CCI Ivato amin’ny alahady izao. Mandritra ny fampisehoana dia hisy koa ny “urne” izay ahafahan’ireo malala-tanana mandrotsaka izay tolo-tanana ho an’i Mikakely “bassiste” izay ao anatin’ny tsy fahasalamana amin’izao.

Navoaka ofisialy omaly ihany koa moa ilay hira tambatra izay vao natao raki-tsary niaraha-namolavola tamin’ny Louvto Company, izay hohiraina mandritra ity seho miavaka amin’ny alahady ity. Aorian’ity hetsika goavana eny amin’ny CCI Ivato, anisan’ny hisongadina amin’ireo fiakarana an-tsehatry ry Ambondrona amin’ity ny fandraisan’anjara amin’ilay Festival Tsika Jiaby izay hatao any Frantsa, ary ho raikitra avy hatrany ihany koa ny fitetezam-paritra toy ny any Imerintsiatosika, Ambatolampy, Fianarantsoa,…
Toky R
 

Dans la même rubrique