airtel

kolontsaina

14-oct-2022

kolontsaina

Sendikan’ny Artista “Efa tena lasa Minisiteran’ny Setrasetra sy Kakay io”

Sample post image

Miditra amin’ny dingana ambony kokoa ny sendikan’ny artista, izay mitsipa-doha tanteraka ny Minisitry ny serasera sy ny kolontsaina Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy.

14-oct-2022

Manohitra tanteraka ny fampidirana politika amin’ny tontolon’izy ireo, ary miantso ny Filoham-pirenena handray fepetra hentitra hanaisotra azy ireo eo am-pelantanan’io minisitra io. Betsaka loatra mantsy, hoy izy ireo, ny fampidirana politika amin’ny resaka OMDA na ny Ofisim-pirenena momba ny zon’ny mpamorona. “Nanomboka tamin’ny febroary tsy nandray zo, tsy rariny satria hatsemboanay fa tsy an’ny Minisitera. Tsy rariny satria efa misy tetiandro mazava ny momba izany”, hoy I Samoela mpanakanto. Tsy manaiky manoloana ny fanesorana ny mpikamban’ny Filankevi-pitantanan’ny OMDA voafidy tamin’ny fivoriam-be ihany koa izy ireo. “Tsy manaiky ny hampidirana politika, indrindra ny fampidirana olon’ny Freedom. Ny artista no tokony hifandamina amin’ny fisitrahana ny zony. Aza ampiadiana artista”, hoy hatrany izy ireo, izay nanova ny MSK na ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina ho “Minisiteran’ny setrasetra sy kakay”. Mangataka ny hanasarahana ny Minisiteran’ny serasera sy kolontsaina hatrany izy ireo. “Prezida o! Tany misy olobe tsy miady zaza, ianareo no tokony hanasaraka rehefa miady ilay olona, ka saraho. Rehefa mivilana ny any ambony, mivaralila ny any ambany. Hatramin’izao izahay Hendry amin’ny resaka nifanaovana taminao, fa misy tsy endry sy ratsy fanahy. Saraho, hidio ny OMDA Rehefa tsy nandray vola ihany izahay. Ho avy tsy an-kiato, ary ho avy matetika eny amin’ny Antenimiera, hitondrana ny lalàna, ho feno artsita ao mandra-pahalanin’ny lalàna mikasika azy ireo”, hoy kosa ny mpanakanto Rossy. Mihahenjana ny lonilony, tsy to teny eo anatrehan’ireo mpanakanto intsony ny Minisitry ny serasera, toa tsy mahavita mandamina sy mandravona ny olana fa zary ny fifandirana hatrany no misongadina eo amin’ny roa tonta. Nesorina hatry ny ela ny Tale Jeneralin’ny OMDA, saingy hatramin’izao tsy voatendry ny solony, savorovo no naterany, mifanenjana ny artista sy ny minisitra, tsy manaiky ny fahefan’ny Minisitra intsony ny mpanakanto,… Nahoana anefa no toa hiniana hikipiana io raharaha io efa nitarazoka hatry ny ela aza. Atao fahirano ny mpanakanto dia avy eo tambazana sy alaina indray ny fony rehefa propagandy ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Efa fanaon’ny fikambanana Hasin’ny Zazamanga ny asa sosialy sy fidinana ifotony ijerena ny fiainan’ireo tantsaha,

Card image cap