airtel

kolontsaina

23-janv-2023

kolontsaina

Sendikan’ny Kanto “Avoahy ny volanay, tsy ekena ny fifidianana sadasada”

Sample post image

Mitohy ny adin’ny artista sy Minisiteran’ny serasera. Nafana indray ny sabotsy 21 janoary teo ny fanambarana nataon’ny SYKA (Syndicat-n’ny Kanto) ahitana an-dry Rossy sy ny namany,

23-janv-2023

niarahany tamin’ny Fikambanamben’ny Sendika eto Madagasikara na ny SSM. Nanamafy fa herintaona maninjitra tsy nandray vola ny Mpikamban’ny OMDA (Ofisim-pirenena misahana ny zon’ny mpamorona) na ariary aza. Mikorontana tsy misy mandeha amin’izay laoniny ny OMDA noho ny herisetra na “harcèlement” ataon’ny minisitra ireo mpiasa sy mpanatanteraka tavela ao, ary tapitra nametra-pialàna sy mitaraina amin ny hanaovan’ny minisitra sy ny ekipany azy, hoy ireo artista. Korontaniny avokoa na ny tetiandro napetraka hatramin’izay: Fivoriambe na “assemblée générale”, tatitra, fifidianana, noravana tsy nisy fampandrenesana ny fivoriambe tokony natao tao amin’ny Espace Dera; dinganina tsy ampahalalana na inona na inona ny rafitra ara-dalàna “conseil d’administration” voafidy; atao tampotampoka sady afangaro voraka amin'ny fanaovana kifetifety ny fifidianana izay mila fitoniana sy fiomanana satria “consensus” hatrany ny fanaovana fifidianana, hoy ny SYKA. Notsipihin’izy ireo fa ny mpikambana manana karatra ihany no tokony hivory sy hiatrika fifidianana , ny antso atao anefa dia fety anaty Lapan’ny Fanatanjahantena hiantsoana izay milaza azy ho aritiste manao mozika mafana rehetra ity. Noho izany, tsy mitombina tsy manan-kery “nul et non avenue” ary tsy ekenay ny fifidianana tampoka sy sadasada kasaina atao ao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena amin’ny talata ho avy 24 janoary 2023 izao Ary vao Maika hanakorontana ny OMDA, hoy ny SYKA niaraka tamin’ny SSM. Takian’izy ireo ny handoavan’ny ministera ny volan’ny mpikambana tsy noraisiny efa ho herintaona izao alohan’ny zava-drehetra. Takiana ihany koa, hoy izy ireo, ny hanatsaharan’ny minisitra sy ekipany ary ny “comptes” mpiaro azy eo amin ny tambajotra sosialy ny herisetra ara-tsaina na “harcèlements moraux” atao ny mpiasan’ny OMDA lazaina fa "ekipan’ny teo aloha". Mitaky ny hanatsaharany ny fampiadiana ny samy artista sy ny fanalam-baraka tsy mitombina (affirmations Gratuites) fa mangalatra ny artista zokiny sy niangarana, nanondinkodina amina milara, hoy hatrany ny SYKA. Ary farany, dia nilaza ny SYKA fa tsy ekena ny fampiasàna ny minisitera hanitarana ny ambaindain’ny antokon’ny ministra ka hametrahany ny olony na hanereny ny mpiasa hiditra ao amin’ny antokony (freedomisation), araka ny fanambarana nataon’izy ireo ny sabotsy teo.
Toky R
 

Dans la même rubrique

18-avril-2024

Nizara mikasika ny kolontsaina tia fandraharahana ho an'ireo tanora 100 ao amin’ny kilasy voalohany sy kilasy

Card image cap
18-avril-2024

Hitodi-doha any Andraikiba, Antsirabe, indray ny tarika Iray Fy'Art ny alahady ho avy izao,

Card image cap