airtel

kolontsaina

27-déc-2022

kolontsaina

“Soirée” nisy olana tao Toliara Sosotra ireo mpijery, nanazava i Black Nadia

Sample post image

Lasa resabe, ary tsy nahafaly ireo mpijery sasany tao Toliara ny fampisehoana tokony ho nataon’I Black Nadia tao amin'ny Hôtely Etoiles de mer tao Toliara.

27-déc-2022

Nilaza narary anefa i Black ary hira 3 fotsiny no nataony dia niala izy, raha ny fanazavana. “Mba niakatra ilay zanany lahy fa nosintomin'i Black teo ambony sehatra. Tezitra ireo mpijery tonga satria efa lafo ny vidim-pidirana no mbola voakitakitan'ity mpanakanto ity ihany avy eo”, hoy hatrany ny fanazavana. “Tonga tao hijery anao satria “fan”-nao! Tsy nijery ny fahalafosan'ny fidirana, kanefa ireny no zavatra nataonao? Tsy vitany efa tonga tamin’ny 1ora maraina, fa mbola zara raha nihira, fa hoe marary, hono! Maninona raha tonga dia nofoanana ilay “soirée””, hoy ireo tsy faly. Nisy moa no nilaza fa nividy “invitation” hatrany amin’ny 4 tamin’ny vidiny 50 000Ar tsirairay tamin’ity fampisehoana tsy nahafa-po azy ireo ity.
« OLOMBELONA IHANY AHO »
Nitondra fanazavana kosa tao amin’ny tambazotran-tserasera I Black Nadia, ka nilaza fa tsy ny vahoakan’I Toliara rehetra no tsy tia azy, ary mafy dia mafy tokoa, hoy izy, ny mahazo an-dry zareo artista, tsy manan-jo maha olombelona fa “robot”,… Nilaza izy fa efa ela no tsy salama, ary ny 25 desambra tokony ho tamin’ny 5 ora hariva alohan’ny hanao fampisehoana tao Toliara, dia tena niverina tsy salama. “…. Dia niezaka ihany nanao hira vitsy vitsy aho, nanao hira telo teo dia tsisy feo intsony”, hoy I Black Nadia. Nambarany fa niangavy amin’ny maha olombelona, ary nilaza fa tsy hiala lavitra fa eo akaiky eo ,hiezaka ihany hanafana ny feony raha miverina, raha tsy izay dia afaka miara-maka sary aminy ny mpankafy. “Tsy ampy 5minitra dia nandeha amin’izay ny ompa variraraka nahazo ahy … Niverina niakatra aho nialatsiny sady niteny hoe tsy maninona averiko ny volanareo fa mba miangavy re tompoko mba aoka mba hanaiky ianareo fa tsy salama ny tenako. Nisy ny hatramin’ny tsindry bokotra fa hitory ahy fa nandoa 30.000ar, maro dia maro anefa ireo namerenako vola ,ary volako manokana fa tsy mba an’ny “organisateur” satria mafy ny vava sy ompa nahazo anay. Nanao “soirée” aho tao Mangily sy Sakaraha tsy nisy olana fa vita soa aman-tsara satria salama ny tenako, fa raha mba sendra tsy salama na marary izahay dia tsy ekena fa tsy olombelona fa mpiasany mpankafy sasany”, hoy I Black Nadia. “…Tiako ho tsapanao fa tsy izaho no malaza fa ny mpankafy no nametraka ahy amin’ny toerako, dikan’izay tsy olona 2 na 3 na 10 no hampirava ny fisiako”, hoy ny ampahan’ny fanambarany. Omaly takariva moa izy dia naneho hoe: “Tsy maintsy tonga ao ny tenako androany,tsy afaka hanao akory satria tsy maintsy tanterahina ny sitraponareo mpankafy . Efa manomboka misokatra ny feoko.”
Toky R
 

Dans la même rubrique