airtel

kolontsaina

07-août-2023

kolontsaina

Somaroho andiany faha 10 Tafiditra anaty ambiansy hatramin’ny filoha

Sample post image

Mafana dia mafana hatramin’ny 2 aogositra teo ka hatramin’izao ao Nosy be ao noho ny fisian’ny hetsika goavana Somaroho andiany faha 10.

07-août-2023

Nidina tany an-toerana mihitsy moa ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina, ny faran’ny herinandro teo ary nilaza fa tafiditra ao anatin’ny velirano faha 4 ny fampiroboroana ny fizahantany amin’ny alalan’ny hetsika tahaka itony. Efa revy hafa mihitsy ny ao Nosy be ao izany, hoy ireo mpanara-baovao nahita ny ambiansy sy ny fianjaikan’ireo tovovavy nilahatra nanao filaharambe na “carnaval” izay tsy mihafahafa mampiseho an-kalamanjana ny nonony mihitsy ny sasany. Hita ho tafiditra anaty ambiansy hatramin’ny filoham-pirenena ihany koa. Izy rahateo moa mirehareha ho akaiky vahoaka ary dia hita ho tena akaikin’ny mpanakanto indray izany izy teto, raha ny sary niparitaka ny faran’ny herinandro teo. Tena nanatona akaiky azy no sady nampiasa ny fanondrony teto ny mpanakanto Basta Lion izay nijoro teo anoloany, izy moa nipetraka teo akaikin’ny depiote Jocelyne Maxime Rahelihanta, izay voafidy tao Antsiranana voalohany. Samy maminavina ireo nahita ny sary hoe mba inona koa ary izany resak’izy mianaka teto izany? Tena mbola mahatsapa ny tenany ho filoham-pirenena ve ny filoham-pirenena malagasy ankehitriny samy manina ny fanafanana lanonana fahiny fony izy DJ?
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

15-mai-2025

Herinandro mahery kely taorian’ny nirosoan’ny antenimierampirenena

Card image cap