Anisan’izany ny tany nisy ny “residence”-n’ny “Sous prefecture” teo aloha izay toerana manokana natokana hanorenana fotodrafitr’asam-panjakana ,ny trano sy ny tanin’ny kaominina ambonivohitr’i Moramanga,… Tsy eken’ireto Ray aman-dReny miaraka amin’ny vahoaka ihany koa ny fanakelezana ny kianja fitaizana ny tanora. Ireo no nisongadina nandritra ny fihaonana teo amin’ireo solontenan’ny Tangalamena sy “Notable” ary ny mpanao fanatanjahantena tamin’ny Lehiben’ny Distrika, ka nambaran’izy ireo fa tsy rariny ny fanomezan-dalana hoan’ ireo olom-bitsy hanorina trano eo amin’ny sisin’ny kianja izay voalaza fa nankatoavin’ny Lehiben’ny Distrika teo aloha sy ny Ben’ny tanana. Ny nampametram-panontaniana dia nahorina tsy nisy “permis de construire” na fahazoan-dàlana hanorina ireto trano ireto izay natsangana eo amin’ny sisin’ny kianja ny volana novembra 2022 ary voalaza tamin’izay fa tsy nandalo “contrôle de légalité”, ary ny 09 janoary 2023 dia fantatra fa nisy tampoka teo izany, hoy ny fanamarihana. Nambaran’Andriamatoa Ramanatoandro Cyrille sy Rajoelison izay Solontenan’ny Tangalamena fa fitaka ho an’ny Fitondram-panjakana ankehitriny izao fanakelezana ny kianja izao izay lazaina fa manara-dalàna indray aty aoriana. Ny tena mampalahelo ny vahoaka dia ireo olona milaza fa manohana ny filoham-pirenena no mangorona ny fananan’i Moramanga ary mandrahona fa manana lamosina ao amin’ny fitondrana ary ampangain’izy ireo ho mpanohitra ny fitondrana izay milaza ny heviny mikasika ity fandrobana ny fananam-bahoaka ity, hoy ny fampitam-baovao. Tsara moa ny manamarika fa tsy manana ben’ny tanàna voafidim-bahoaka tamin’ny fifidianana farany teo raha i Moramanga Renivohitra manokana satria nodidina haverina ny fifidianana, saingy tsy vita intdony mandrak’androany.
Toky R
Mankahery antsika vahoaka malagasy, hoy ny mpanao politika Kristianina,Eliace Ralaiarimanana. Aza kivy isika fa ny haizina mbola hazava, hoy izy.
Ho resaka hifandroritana ato ho ato indray ny fananganana Faritra vaovao. Ny tena resaka, tsy dia hoe fampanatonana akaiky kokoa ny renivohi-paritra,
Noho ny fankalazana ny faha 63 taonan’ny fahaleovantena dia hikarakara hetsika maimaim-poana seho hira gasy
Samia manadio ny tandrify azy, hoy ny mpitsabo nentim-paharazana sady mpandala ny nentin-drazana, Randimbiarimanana Feno Manankasina na Maitre Feno, naneho ny heviny mikasika ny raharaham-pirenena.
Bella», «J’me tire», « Changer », « Zombie », «Avant qu'elle parte» no santionany amin’ireo hira nahafantaran’ny maro ilay mpanakanto iraisampirenena manana ny lazany,