mahatalen'ny OMDA na ny Office Malagasy du droit d'Auteur azy Ranjarivo Haja, tale teo aloha ihany fa tsy navelan'ny Fitondrana Rajoelina niasa malalaka. Nambarany fa hitondra fanavaozana goavana eo amin'ny tontolon'ny zava-kanto amin'izay ny tenany manomboka izao, asa efa natomboka ary mbola hotohizana. Tafiditra ao anatin'izany ny fanaparitahana ny OMDA manerana an'i Madagasikara, ny fampahafantarana ireo mpanankato ny anjara andraikiny, ny fampidirana mpikambana vaovao....Toraka izany koa fijerena ny vola alohan'ny OMDA amin'ny sangan'asan'ireo mpanankato vahiny miasa eto amintsika. Nomarihin'ity talen'ny OMDA ity moa fa tsy afa-misaraka amin'ny fampandrosoana ny fivoaran'ny Teknolojia. Mbola hisy hatrany araka izany ny fiaraha-miasany amin'ny any ivelany amin'ny fampidirana anaty logiciel ny sangan'asan'ireo mpanankato mba tsy hisy ho very sy ho voaaro izany no sady hipariaka eny amin'ny habakabaka ihany koa. Saika faly tamin'izao fiverenan'ny talen'ny OMDA amin'ny toerany izao avokoa moa ny mpanankato rehetra, sehatra izay marihina fa tsy ho an'ny mpihira ihany fa tafiditra koa ny mpanoratra sy ny mpamorona.
Pati
Légende : Izy no Ranjarivo Haja, talen'ny OMDA !