i Antsaravaka, ary i Synèse, hoy ny fampitam-baovao. Hotanterahina ny alahadin'ny Pantekoty izao, manomboka amin'ny 2 ora, eo an-tokotanin'ny fiangonana Md Piera Ambohimiandra izany. Holalaovin'izy ireo an-tsehatra ilay tantara nosoratan'i Ony Mihajanirina, mitondra ny lohateny hoe "Ondry botry". Anehoana ny fiainana an-davanandro ifamahofahoan'ny harena sy ny fahantrana. Ny fifankatiavan'olon-droa ary ny olan'ny fianakaviana sy ny fitondran-tena. Eo koa ny hatsikana sy ny fampitana anatra. Natao ho an'ny sokajin'olona rehetra rahateo ny seho an-tsehatra ary ifanakaikezan'ireto mpilalao tantara ireto amin'ireo mpankafy ihany koa. Hisahana ny fikirakirana ny lafiny tekinika sy ny fandrindrana ny sehatra ary koa ny fanentanana i Bruno Rakotomalala. Tsiahivina fa mikarakara izany fampisehoana izany ny antoko mpihira ao amin'ny fiangonana katolika Md Piera Ambohimiandra, hoy hatrany ny fampitam-baovao mikasika ity tantara an’onjapeo ho lalaovina an-tsehatra ity.
J. Mirija
Izany fifidianana izany, antenaina ho vahaolana ; eto amintsika anefa, ny fifidianana manjary filan-kisa.